Alarobia 17 Mey 2023

Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa (afa-tsy amin’i Jesosy) ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena. Asan’ny Apostoly 4:12

 

Mampaneno lakolosy

Hoy ity ramatoa iray tamiko, indray andro : „Ampy ireo zavatra maro ataoko hikarakarana ny hafa, mba haneken’Andriamanitra ny fahamendrehako”. Dia nampiany hoe : „Ary mbola mampaneno lakolosy koa aza aho !” Asa tsy dia fahita io, nefa mampahatsiahy izay te handre fa misy fotoam-pivavahana atao.

Rehefa sokafana ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, inona no ambarany antsika ? inona no hafatra entiny ? Resahiny antsika Jesosy Kristy, Ilay hany hahazoana famonjena : tsy izay ataontsika no manome antsika zo ho voavonjy, fa ny famonjena atolotr’Andriamanitra maimaimpoana ho an’izay mino ny Tompo Jesosy. Manaraka atỳ aoriana ireo „asa soa”, vokatry ny fankasitrahantsika, mahatonga antsika haniry hanompo an’Andriamanitra : „Izaho… haneho aminao ny finoako amin’ny asako” (Jakoba 2:18).

Nahoana ny asantsika no tsy afaka ho ampy hanokatra ny varavaran’ny lanitra ho antsika ? Satria izay rehetra ataontsika, na dia amin’ny fikasana tsara indrindra eto an-tany aza, dia efa voaloton’ny ota. Niditra tao anatin’ny olombelona mantsy ny ota, fony nisafidy tsy hankatò an’Andriamanitra ilay voalohany, dia i Adama. Nanomboka hatreo, ny ota dia nandoto ny asantsika, ny tenintsika, ny eritreritsika. Mba hahafahantsika manatona an’Andriamanitra, dia tsy maintsy nofafana io ota io, tamin’ny fitsarana azy. Izany no antony nanirahan’Andriamanitra an’i Jesosy Zanany, mba hitondra ireo fahadisoantsika tao amin’ny tenany, teo amin’ny hazofijaliana, ary ho faty nisolo toerana antsika. „Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1).

Ny finoana ny Tompo Jesosy no mahavonjy. Tsy mandray anjara amin’izany ny fampanenoana lakolosy !