Alakamisy 18 Mey 2023

Fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao, ho any amin’ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany. Jaona 13:1

Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho, ka tonga amin’izao tontolo izao ; ary hiala amin’izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin’ny Ray. Jaona 16:28

 

Avy eto amin’ity tontolo ity, ho any amin’ny Ray

Jesosy, tonga avy any an-danitra, dia mampahatsiahy ny fotoana hiakarany any an-danitra, aorianan’ny hahafatesany sy hitsanganany ho velona indray. Milaza Izy fa „hiala amin’izao tontolo izao, ho any amin’ny Ray”, „hiala amin’izao tontolo izao indray… ka hankany amin’ny Ray” : tsy hoe ho any an-danitra, fa ho any amin’ny Ray. Aminy, ny mampiavaka ny lanitra, dia ny fisian’ny Rainy ao !

Taorianan’ny tsy nankatoavan’i Adama, dia tsy nanankin-tena tamin’Andriamanitra ny olona, fa nandamina ny fiainany tao amina rafitra antsoin’ny Baiboly hoe „izao tontolo izao”, manana an’i Satana ho andrianany (Jaona 14:30). „Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany” (1 Jaona 2:16). Misy fifanoherana tanteraka eo amin’„ny Ray” sy „izao tontolo izao”, ary nahatsapa lalina an’izany Jesosy, rehefa tonga „avy tamin’ny Ray… [ho] amin’izao tontolo izao”. Natokany ho an’ny Rainy ny fiainany manontolo teto an-tany, ary ny anton’ny nahatongavany dia ny hampahafantatra Azy amin’ny olona (Matio 11:27). Tsy nisy na inona na inona tao aminy, nifandraisany tamin’ireo filan’izao tontolo izao. Ny fiainany teto dia voamariky ny fijaliana, ny fanaovana tsinontsinona sy fanilihana Azy, ary farany ny hazofijaliana.

Handao ny mpianany Jesosy. Efa hitany mialoha ny fotoana hahatontosany ny asany. Tsy nanoritsoritra tamin’izy ireo ny hakanton’ny lanitra Izy, fa nilaza taminy kosa hoe „ho any amin’ny Ray”. Jesosy, Ilay Zanaka malala, dia handao izao tontolo nijaliany mafy izao, ka ho any amin’ny Rainy, rehefa nanatanteraka ny sitrapon’io Rainy io manontolo, hatramin’ny fahafatesana.

Afaka mampionona ny mpianany Izy. „Hankany amin’ny Ray” Izy, nefa tsy ho irery intsony any, satria efa nanomana toerana ho azy ireo ao an-tranon’ny Rainy. Hiverina indray Izy, haka azy ireo ho eo aminy (Jaona 14:2-3).