Zoma 19 Mey 2023
Efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano. Jeremia 2:13
Koa miverena ho amin’Izay efa niodinanareo fatratra. Isaia 31:6
Efa imbetsaka ity tovovavy alemana mpianatra iray no nandre ny Filazantsara, saingy mbola nihidy hatrany ny fony. Te hiaina ny fiainany izy, ary izany no nataony, mandra-pahatonga ny andro iray mampivarahontsana nandarofana baomba ny tanànan’i Hambourg, nandritra ny ady lehibe faharoa. Tao anaty ora vitsivitsy monja dia nisy afo lehibe nandevona ny tanàna, izay nanjary korontam-bato sisa. Nandositra nanao vy very ny ainy ilay zazavavy, ary nahita fialofana tao amin’ny fiangonana loterana tao amina tanàna kely teo akaiky, niaraka tamin’olona vitsivitsy. Nitomany sy nitoloko izy ireo, tena nampalahelo, namoy ny zavatra rehetra. Tonga nijery azy ireo ny pastora, nihaino ny tarainany ary nahatakatra ny fahoriany. Avy eo izy dia nangataka fanginana kely : „Ry sakaizako malala, rehefa nihaino anareo aho, dia nahare tao anatin’ny tolokonareo, izay takatro tsara, fehezanteny iray tiako horesahina anareo. Nisy taminareo nilaza hoe : Nandao anay Andriamanitra. Tsy marina izany. Diso hevitra ianareo. Izao no marina : isika no nandao an’Andriamanitra !”
Dimampolo taona tatỳ aoriana, rehefa nitantara io fifanatrehana io ilay vehivavy niaina izany, dia nanampy hoe : „Izay no hany tadidiko, tamin’ny tenin’io pastora io. Nefa dia toy ny zana-tsipìka nahatratra tandrify tsara ny foko io fehezanteny io. Tao anaty tabataban’ny baomba dia niantefa tamiko ny feon’Andriamanitra, ary io angamba no farany. Namaly ny antsony aho ary tsy nandao mihitsy intsony Ilay Andriamanitro.”