Asabotsy 20 Mey 2023
Dia talanjona izy rehetra, noho ny fiandrianan’Andriamanitra. Fa raha talanjona izy rehetra tamin’izay rehetra nataon’i Jesosy, dia hoy Izy tamin’ny mpianany : Ampidironareo ao amin’ny sofinareo izany teny izany ; fa ny Zanak’olona efa hatolotra eo an-tànan’ny olona. Lioka 9:43-44
Imbetsaka ireo filazantsara no manambara amintsika ny hagagan’ireo izay nifanerasera tamin’i Jesosy. Taoriana kelin’ny nahaterahany, dia gaga ny ray aman-dreniny rehefa niteny tamin’Andriamanitra i Simeona hoe : „Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao” (Lioka 2:30), tamin’izy nitrotro Ilay Zaza. Rehefa 12 taona Jesosy dia nihaino sy nanontany ireo mpampianatra tao an-tempoly, momba ny Lalàna. Talanjona izy ireo noho ny haranitan-tsainy sy ireo valinteniny.
Rehefa olon-dehibe Izy dia namoaka demonia ary nanasitrana olona maro azon’aretina isan-karazany. „Talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra” (Matio 15:31). Sina tsy nahateny ireo rehetra mpanohitra Azy. „Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ny olona izany teny izany, sady gaga izy noho ny famaliny, ka nangina” (Lioka 20:26). Nomelohina tsy ara-drariny Izy, ary nohomboana teo amin’ny hazofijaliana ; niantso mafy Izy sady maty, nefa tsy hay atao izany rehefa mijaly homboana. Gagan’izany ilay kapiteny romana sy ireo izay niambina an’i Jesosy teo : „Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io” (Matio 27:54).
Tsy nahatana Azy ny fahafatesana. Nitsangana velona indray Izy, nanaporofo tamin’izany fa Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Ny mpianatra dia nahare an’i Jesosy nilaza tamin’izy ireo ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray, nefa dia mbola gaga ihany, nahita Azy velona, nitsangana indray (Lioka 24:40-41).
Ny zavatra rehetra dia mampiseho amintsika ny maha Andriamanitra Ilay nanao sorona ny ainy mba hamonjy antsika sy ny halehibeny. Ny fahasambarantsika dia ny mino sy mitia Azy.
(rahampitso ny tohiny sady farany)