Alahady 21 Mey 2023
Fa toy ny nigagan’ny maro Anao (ny tarehiny dia simba ka ohatra ny tsy tarehin’olombelona akory, ary ny endriny ohatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona), dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro ; ny mpanjaka hitampim-bava aminy. Isaia 52:14-15
Elabe talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany, ny mpaminany Isaia dia efa niteny hoe : „Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra, sady mitory fiadanana ! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena” (Isaia 52:7). Araka izany, ao amin’ireo filazantsara dia maro ny nitolagaga tamin’ny fampianarany sy ny asany.
Jesosy anefa dia nolavin’ilay vahoaka nofidin’Andriamanitra. Tsy nisy toerana ho Azy tao an-tranom-bahiny, fony Izy teraka (Lioka 2:7) ; tsy nisy toerana hametrahany ny lohany (Matio 8:20). Tao an-tsahan’i Getsemane Jesosy dia nanolotra vavaka sy fangatahana tamin’ny Rainy, nombana fitarainana mafy sy ranomaso be (Hebreo 5:7). Ny fanahiny dia „fadiranovana loatra… toy ny efa ho faty” (Matio 26:38). „Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa ; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany” (Lioka 22:44).
Nefa kosa ny faran’ny andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany dia milazalaza ny fotoana hahitan’ny maso rehetra an’i Jesosy ao amin’ny voninahiny, rehefa hiverina Izy hametraka ny fanjakany etỳ an-tany. Ho talanjona avokoa ny olona rehetra rehefa mahita Azy. Noho ny hagagana manoloana ny fiandrianany, dia hanaiky ho eo ambany fahefany ny tsirairay.
Ankehitriny isika dia afaka ho gaga tokoa, manoloana ny maha Izy Azy an’i Jesosy sy izay nataony. Nefa ny tena zava-dehibe ho an’ny hoavintsika mandrakizay, dia ny mino Azy, sy ny manaiky ny fitiavany naseho teo amin’ny hazofijaliana (Jaona 3:16). Amin’izay isika dia ho anisan’ireo izay halainy mba hiaraka aminy mandrakizay (1 Tesaloniana 4:16-17).