Alatsinainy 22 Mey 2023
Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany, mba ho velona izy ? Ezekiela 18:23
Misy olona sasantsasany mihevitra fa Andriamanitra, alohan’ny zavatra rehetra, dia manafay ireo manao ratsy. Noho izany izy ireo dia miezaka handositra Azy amin’ny fomba rehetra, na hampitony ny fahatezerany amina fombafomba sy fanatitra.
Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia mametraka ny fanontaniana hoe : „Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy ?” Tsia dia tsia no valiny. Tsy manamaivana ny ratsy atao isanandro isanandro etỳ an-tany tsy akory Andriamanitra, nefa tsy hitsara ireo olona diso, raha tsy efa nanolotra azy ireo ny fahasoavany, aloha.
Ny fanirian’Andriamanitra dia ny hamela heloka, fa tsy ny hitsara, satria tia antsika Izy. Ary afaka mamela heloka Izy, tsy hoe satria mandefitra amin’ny ratsy tsy akory, fa satria Jesosy Kristy efa nisolo toerana antsika, nizaka ny famaizana sahaza ireo fahotantsika.
Eo amin’ny andinin-tSoratra Masina notanisaina etsy ambony, ny hoe fahafatesana dia tsy ny fiafaran’ny fiainantsika etỳ an-tany ihany, fa indrindra ny tsy fisiana fifandraisana amin’Andriamanitra, fanalavirana Azy ho mandrakizay, ka mampivarahontsana. Mifanohitra amin’izany, Andriamanitra dia manolotra ho antsika fifandraisana manokana aminy, fifandraisana mahatalanjona, satria na ny fahafatesana ara-batana aza, tsy afaka manapaka azy. Nefa mba hahafahan’izany fifandraisana izany hisy eo amin’Andriamanitra sy ny olona, dia tsy maintsy „miala amin’ny lalany” ny olona, izany hoe manenina an-kitsimpo noho ny ratsy rehetra vitany, sy miala amin’izany, sady mino an’i Jesosy. Eny, ny hahavelona anao no irin’Andriamanitra. Hamafisiny amin’ny andinin-tSoratra Masina androany fa manana vinavinam-piainana ho anao Izy.