Talata 23 Mey 2023
Samia misikina fanetrentena ianareo, ka mifanompoa ; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. 1 Petera 5:5
Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny filazantsaran’i Kristy. Filipiana 1:27
Ao amin’io tantara ao amin’ny Filazantsara io, dia mahavariana antsika ilay kapiteny, noho ny finoany. Io manamboninahitra romana io dia maneho fatokiana tsy misy fetra ny herin’i Jesosy. Na izany aza anefa, dia nampiseho fahafehezantena lehibe izy, manoloana ny halehiben’Ilay atrehiny, ka niteny hoe : „Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho”. Araka izany izy dia naka ny toerana tokony hisy ny olona rehetra, manoloana an’Andriamanitra.
Jaona Mpanao batisa ihany koa dia nihevitra ny tenany ho tsy mendrika akory hamaha ny fehin-kapan’ny Tompo Jesosy (Lioka 3:16). Mba handraisantsika ny fahasoavan’Andriamanitra, dia tsy maintsy mahatsapa ny tsy fahamendrehantsika isika… „Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” (Salamo 51:17).
Ny Mpamonjy dia mandray ireo izay manatona Azy sady miaiky ny toetrany. Rehefa manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjintsika isika dia mandray, noho ny fahasoavana, ny famelana ny fahotantsika sy toetra vaovao mitovy amin’ny Azy. Apetraka eo amina toerana vaovao isika, manoloana an’Andriamanitra. Izany dia manome antsika fahamendrehana tena izy, izay tsy avy amintsika, fa avy amin’Andriamanitra : manjary zanak’Andriamanitra isika, ary manjary mpianatr’i Kristy. Noho izany dia taomina isika hitondratena mendrika ny Tompo (Kolosiana 1:10), mendrika an’Andriamanitra (1 Tesaloniana 2:12), mendrika ny Filazantsara (Filipiana 1:27).
Aza mihambo ho mendrika na inona na inona isika, eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny toetra maha isika antsika. Ndao kosa hanaiky ny fahamendrehana omen’Andriamanitra antsika, sy hiaina mifanaraka amin’izany toerana miavaka izany.