Alarobia 24 Mey 2023
Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko ; tsy eo amin’ny bokinao va ireny ? Salamo 56:8
Ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika : fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika ; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina. Romana 8:26
Mihaino ny sentontsika Andriamanitra
Lazain’ny Baiboly antsika fa Andriamanitra dia mihaino ny antsoantson’ireo izay mijaly : „Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah, ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra” (Salamo 34:6). Mihaino vavaka Andriamanitra (Salamo 65:2), ary mihaino ny senton’ny zanany koa. Tsy mba eny lavidavitra eny Izy no mihaino. Nampilazainy an’i Isaia tamin’ny mpanjaka Hezekia, izay narary mafy, hoe : „Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao ; indro, hahasitrana anao Aho” (2 Mpanjaka 20:5).
Mety hisy ny hoe mpino tena kivy tanteraka ka tsy mahavita mivavaka intsony. Nefa ny Fanahy Masina monina ao anatiny no mitondra eo amin’Andriamanitra, „amin’ny fitarainana tsy azo tononina”, izay tena ilainy mifandraika amin’ny fahalemeny. Io Fanahy Masina manalalana io no misolo toerana ny fanahiny reraka, mba hitondra fiadanana ho azy ary hamerina indray ny fatokiany ny fitiavan’Andriamanitra sy ny maha tsy miova Azy.
Ny senton’ny fontsika dia vavaka ihany koa,
Tsara toy ny fandavantenantsika, na ny fiboreditsika,
Na ny tenintsika tsara lahatra nefa tsy dia tena an-kitsimpo,
Ary inoako fa tsara kokoa noho ireo aza, angamba.
Ny senton’ny fontsika dia vavaka ihany koa,
Matetika tsara lavitra noho ireo teny mahantrantsika.
Ny ranomason’ny fontsika dia vavaka ihany koa,
Izay miakatra any amin’ny fahazavana, ary tsara kokoa noho ny teny !
Misaotra, ry Tompo, misaotra mety mandray
Ireny fiantorahan’ny fonay hazavain’ny fitiavanao ireny.
(araka an’i Elie Abel)