Alakamisy 25 Mey 2023
… ao an-tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana. 1 Timoty 3:15
Izy (Andriamanitra)… nanao Azy (Kristy) ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana, izay tenany, dia ny fahafenoan’Izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra. Efesiana 1:22-23
Tena maro karazana ny hevitra momba ny Fiangonana. Ary hay atao koa ve ny miteny hoe ny Eglizy (na Fiangonana), manoloana ireo fikambanana marobe mitonona ho izany ?
Inona anefa no lazain’ny Baiboly ? Aminy, dia tokana ny Fiangonana. Izy io dia ny fitambaranan’ireo rehetra mino an’i Jesosy Kristy Tompo ary nandray ny ainy tamin’ny fahateraham-baovao. Rehefa nino izy ireo dia nasiana tombo-kasen’ny Fanahy Masina, izany hoe nandray ny marika maha fananan’Andriamanitra azy ireo. Koa miara-nampiraisina amin’i Kristy izany izy rehetra, ary mandrafitra ny Fiangonana.
Ny Baiboly dia mampiasa kisarisary telo ilazana ny Fiangonana, araka ny fahitan’Andriamanitra azy. Ny sary tsirairay dia manindry ny maha tokana azy, ary toetra fototra io.
— ny tranon’Andriamanitra : Ny Fiangonana dia trano fanahy, azo antoka, tsy hay hozongozonina, trano aorin’i Kristy, ka ny vato tsirairay ao aminy dia maneho mpino iray. Monina ao Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahiny, ary ao no anolorana ho Azy, amina fomba mirindra tsara, ny fankasitrahana sy ny fiderana.
— ny tenan’i Kristy : Ny Fiangonana dia vatana ara-panahy voarafitra ratsambatana marobe, izay tsy iza fa ny mpino tafaray, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, tafaray amin’ny Lohany, dia Kristy nomem-boninahitra any an-danitra. Mifampiankina ny ratsambatana rehetra, ao amin’ny fiainana iombonana, ny sakafom-panahy, ny asa fanompoana ny Tompo, ny fifaliana sy ny fahoriana. Ny asan’ny tsirairay dia miankina amin’Ilay Loha, dia Kristy, Izay mandrindra ny vondrona manontolo.
— ny fofombadin’i Kristy : Eto dia ny lafiny ara-pitiavana no resahina. Kristy dia nanolotra ny ainy ho an’ny Fiangonana, ary mitia azy fatratra isanandro. Velominy sy dioviny izy, ho lavorary, mandra-pahatonga ny fotoana handraisany azy manontolo ho an’ny tenany (Efesiana 5:25, 27). Ho valin’izany, ny Fiangonana dia ilay tia an’i Kristy sy manoa Azy.