Zoma 26 Mey 2023
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesosy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika. 1 Jaona 3:16
Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha. 1 Jaona 4:19
„Valo taona aho tamin’ny rahalahiko teraka, ary folo taona tamin’ny ray aman-dreniko nisaraka. Rehefa lasa niaraka tamin’ny zandriko ny reniko, dia nitsimbadika tanteraka ny fiainako tamin’io andro io, nahatsiaro tena ho nailika aho ! Nandeha nipetraka tany amin’ny raibe sy renibeko aho. Tsara fanahy izy ireo, nefa ny vanimpotoana manontolo naha zatovo ahy dia voamarika fiankinan-doha nitombo kokoa hatrany tamin’ny fisotro mahamamo sy ny sigara ary ny zava-mahadomelina.
Nanjary kristiana ny renibeko rehefa 13 taona aho. Niezaka niresaka an’Andriamanitra tamiko izy, saingy matetika aho dia tsy nihaino azy. Na izany aza anefa dia nisy teny niraikitra tato an-tsaiko ihany, momba ny fitiavana, ny fiadanana, ary fiainana tsaratsara kokoa.
Rehefa 14 taona aho dia naniry hiala tamin’ny zava-mahadomelina sy hiova fiaina. Nefa arakaraka ny nandrosoan’ny fotoana no nampilentika ahy bebe kokoa.
Nandritra ny folo taona mahery dia niantso ahy tsy tapaka tamin’ny finday ny renibeko, nitaona ahy hanatrika fivoriana kristiana, saingy tsy nandeha tamin’izany mihitsy aho, mandra-pahatonga ny 29 oktobra 2006. Tamin’io andro io aho no sambany niditra tao amina fiangonana. Jesosy tia antsika fatratra ka nanaiky ho faty hamonjy antsika no noresahin’ilay mpitoriteny. Ny teniny dia nahakasika faritra iray mbola tsy voakasika hatramin’izay, dia ny foko.
Rehefa nitaona ny tsirairay handray an’i Jesosy izy, dia niolomay tamin-dranomaso aho ary nanaiky an’i Jesosy ho Tompoko sy Mpamonjiko. Niasa mahery tao anatiko Jesosy, nanao asa fanasitranana sy fanafahana. Ankehitriny aho dia tsy misotro na mifoka intsony, ary ao anaty vondrona kristiana mamangy ny voafonja sy mizara ny Filazantsara amin’izy ireo.”
Eduardo