Asabotsy 27 Mey 2023

Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana… mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy. Hebreo 12:1-2

Mahay ny zavatra rehetra aho, ao amin’Ilay mampahery ahy. Filipiana 4:13

 

Iza no jerena ?

Raha mijery ireo olona nahomby teo amin’ny fiainany sy nahangona harena be ianao, dia aza mitsiriritra azy : mamitaka ny harena ary mampanalavitra antsika amin’ny Tenin’Andriamanitra (Marka 4:19).

Raha miankina amin’ny fari-piainanao metimety ianao, dia aoka hahatsapa ny zavamisy : miovaova toy ny toetrandro izany, ary tsy manome fiainam-pinoana mafy orina ho anao, na kely aza. Hahatonga anao tsy hiraika ny andro mahafaly, ary hitondra tebiteby ho anao kosa ny andro mahory.

Raha manopy ny masonao amin’ity tontolo miroso tsy misy an’Andriamanitra ity ianao, dia handiso fanantenana anao izy ary handroso soso-kevitra maro aminao mba hitaomany anao hanota.

Raha tsy miraharaha afa-tsy ny tenanao ianao, dia hanjary tia tena, miavonavona, na kivy. Tsy ao anatinao tsinona ny loharanon’ny fahasambarana.

Fa miandrandrà any amin’i Jesosy Kristy, „Tompon’ny finoana sy Mpanefa azy”. Izy no tanjontsika, Izy no herintsika. Amin’ny alalan’ny finoana isika dia afaka miara-miaina ny zavatra rehetra aminy.

Ankasitraho ny kristiana hafa, rehefa mampahery anao ny finoany, satria tsapanao fa mampionona anao ny finoana ao amin’ny hafa (Romana 1:12). Nefa alohan’ny zavatra rehetra, dia Kristy no jereo. Homeny hery ianao, hitozo am-paharetana eo amin’ny lalan’ny finoana, mandra-pahatonganao any amin’ny tanjona hahitantsika Azy araka ny endriny tokoa (1 Jaona 3:2).