Alahady 28 Mey 2023

(Hoy Jesosy :) Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa, mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay… ho ao anatinareo. Jaona 14:16-17

 

Ny Fanahin’Andriamanitra (1)

Rehefa handao ny mpianany Jesosy, dia nampanantena fa haniraka ho azy ireo, avy any an-danitra, „Mpananatra hafa”, dia ny Fanahy Masina. Ny Baiboly dia manavaka ireo Telo Izay Iray ao amin’Andriamanitra : Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina ; teo avokoa ireo tamin’ny nanaovana batisa an’i Jesosy tao Jordana (Matio 3:16-17). Ampahatsahivina ao amin’ny batisa kristiana izany (Matio 28:19).

Araka ny efa nampanantenaina, dia nidina teo amin’ny mpino ny Fanahy Masina, tamin’ny Andro Pentekosta (Asan’ny Apostoly 2). Tamin’io andro io no niforona ny Fiangonana, ary nataon’ny Fanahy Masina ho fonenany. Ny Fiangonana dia voarafitr’ireo rehetra mino an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Nanomboka tamin’izay, dia etỳ an-tany ny Fanahy Masina. Hijanona eto Izy mandra-pahatonga ny andro hampiakarana ny Fiangonana ho any an-danitra, hitsena ny Tompony. Raha mbola eto ihany koa ny Fanahy Masina, dia „misakana” ny faharatsiana tsy hihanaka (2 Tesaloniana 2:7).

Jesosy dia nampanantena fa hitoetra mandrakizay ao amin’ny Fiangonana ny Fanahy Masina. Ny Fiangonana no tempoliny, ary monina ao aminy Izy. Ny Fanahy Masina no mampiray ny mpino rehetra —izany hoe ny tenan’i Kristy- amin’ny Lohany, dia Kristy (1 Korintiana 3:16-17 ; 12:13 ; Efesiana 5:23).

Ny Fanahin’Andriamanitra dia monina ao anatin’ny mpino tsirairay koa, ary tsy handao azy na oviana na oviana (1 Korintiana 6:19 ; Jaona 14:16). Ary satria ny Fanahy Masina mitoetra ao amin’ny tenan’ny mpino tsirairay, dia antoka izany fa hitsangana ho velona indray, amin’ny hoavy, ireo zanak’Andriamanitra efa nodimandry (Romana 8:11). Rahampitso isika hahita lafiny hafa momba ny fisian’ny Fanahy Masina ao amin’ny mpino.

(hifarana rahampitso)