Alatsinainy 29 Mey 2023
Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin’i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra, Izay nanisy tombo-kase antsika koa, ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika. 2 Korintiana 1:21-22
Ny mpino tsirairay nateraka indray dia manana ny Fanahy Masina monina ao anatiny, toy ny ao anatina tempoly (1 Korintiana 6:19). Ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina voatanisa ireo, dia aseho amin’ny lafiny telo ny Fanahy Masina :
— Tombo-kase, mariky ny maha fananana. Ny mpino dia mitondra ny anaran’ny tompony, na famantarana ahafahana manondro ny tompony. Koa amin’ny alalan’ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina izany Andriamanitra dia manisy marika ny mpino : io marika io no manondro amin’ny fomba azo antoka fa fananan’Andriamanitra ny mpino.
— Santatra : ny santatra (toy ny vodiondrim-barotra) dia ampahana vola tsy maintsy haloa, natao ho antoky ny handoavana manontolo io vola io, any aoriana. Ny Fanahy Masina, Izay ananan’ny mpino ao am-pony ankehitriny, dia manome azy ny fiadanana sy ny fifaliana, omban’ny fahazoana antoka fa an’i Jesosy izy, eo am-piandrasana ny hasambarana lavorary hiara-lovainy amin’i Jesosy, any an-danitra.
— Hosotra : izany dia fihetsika nandrarahana diloilo teo amin’ny lohan’olona iray atokana mba homena asa miavaka, toy ny hoe mpisorona (Eksodosy 29:7) na mpanjaka (1 Samoela 16:11-13). Ankehitriny ny Fanahy Masina dia mahatonga ny zanak’Andriamanitra ho afaka hahatakatra izay sitrak’Andriamanitra sy hiaina izany, na firy taona na firy taona izy no nino (1 Jaona 2:20). Ny hosotry ny Fanahy Masina dia maniraka ny tsirairay hanao asa misiona, ary manofana azy mba hanompo an’Andriamanitra.
Ry kristiana, harena sy loharanon-kery tsy hay tombanana ny hoe mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina !