Talata 30 Mey 2023
(Hoy Jesosy :) Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Marka 16:15
[Ny mpanapaka ny vahoaka] nandrara azy (ny mpianatra) tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesosy intsony… Fenon’ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana. Asan’ny Apostoly 4:18, 31
Matetika no andrenesana io teny io, ataon’olona sasantsasany mihevitra fa manambara tsiambaratelo lehibe amintsika. Ary raha olona iaraha-mahafantatra no resahina, dia mafimafy kokoa ny hafatrafatra : „Tandremo an ! aza lazaina na amin’iza na amin’iza mihitsy izany !”
Misy tokoa tsiambaratelo sasantsasany tsy tokony hambara, ary misy asa vitsivitsy aza, voafehin’ny „tsiambaratelon’ny asa”. Misy koa tsiambaratelo hafa, izay fifosafosana na fanosoram-potaka olona. Izany no antony tsy anirin’ilay milaza izany hizarana azy. Melohin’Andriamanitra mafy io fihetsika tsy mendrika io.
Mifamadika amin’izany kosa, tsy matetika ve isika no mihazona ny tsiambaratelo fototry ny fahasambarantsika, dia ny Filazantsara ? Ny Tompo ve tsy naniraka ny mpianany, nangataka azy ireo hitory amin’ny firenena rehetra ny vaovao mahafaly milaza ny famonjena ?
Jesosy mihitsy aza dia nitory io Filazantsara io : „Izaho niteny miharihary tamin’izao tontolo izao” (Jaona 18:20). Indrindra moa fa tsy mba niteny araka ny sitrapony samirery Izy, fa izay rehetra reny tao amin’ny tsiambaratelon’ny fiombonany amin’Andriamanitra Rainy no nampahafantariny ny olona : „Ny Ray… no nandidy Ahy izay holazaiko” (Jaona 12:49).
Toy ny nataon’ny Tompo, dia aoka isika tsy hatahotra ny hizara ihany koa ny tsiambaratelon’ny fahasambarantsika, ary hizara izany betsaka indrindra araka izay vitantsika. Ndao hambara amin’ny olona rehetra fa Jesosy dia afaka manome azy ireo ny fiainana mandrakizay, raha mitoky aminy izy ireo ! Toy ny tany am-piandohan’ny Fiangonana (andinin-tSoratra Masina erỳ ambony) dia mba te hanakana antsika tsy hanao izany i Satana, saingy efa resy teo amin’ny hazofijaliana !