Alarobia 31 Mey 2023
(Hoy Jesosy :) Ianareo… ho vavolombeloko… hatramin’ny faran’ny tany. Asan’ny Apostoly 1:8
Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy, toy ny ondry tsy misy mpiandry. Matio 9:36
Vavolombelon’i Jesosy
Tompo ô, Ianao niteny
Avy any ambony any
Fa ho avy tsy ho ela,
Araka ny nampanantenainao !
Navelanao etỳ aho
Ho vavolombelon’
Ny fitiavanao lavorary,
Fitiavan’Andriamanitra.
Manoloana izay rehetra
Ilain’ny fo,
Manoloana ireo izay lavitra,
Ry Tompo,
Ataovy onena aho,
Ataovy mangoraka
Toa Anao, ry Jesosy
Mpiandry.
Ataovy tsy menatra
Anao aho,
Ary aoka hitantara amin’ny rehetra
Ny hazofijaliana.
Aoka hilaza ny hafaliako,
Ry Tompo,
Aoka hilaza ny momba Anao
Tsy amin-tahotra.