Alakamisy 1 Jona 2023
Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy ? Marka 8:36
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Eto amin’ity tontolo ity, ny olona dia mety hamoy ny zavatra rehetra :
— Ny volany : tsy fahombiazana iray, dia indro fa manjavona ny tahiry be nangonina.
— Ny lazany : fanosoram-potaka fotsiny dia ampy.
— Ny asany : mety hanjo antsika tampoka ny fahaverezana asa.
— Ny fahasalamany : mety ho feno hery aho izao maraina izao… nefa any amin’ny hôpitaly ny hariva.
— Ny namany : mora ny mahita namana sy mifanena amina sakaiza, mora ny mampitombo ny isan’ny namana ao amin’ny Facebook. Fa zavatra hafa kosa ny mihazona olona tena namana.
— Ny fifamatorany ara-pitiavana : firifiry moa ny ankohonana samatsamahina fisarahan-toerana na fisaraham-panambadiana !
— Ny fitadidiany : tsy voatery ho antitra vao hanomboka ho very tadidy.
— Ny ainy : fantatry ny tsirairay fa na firy taona na firy taona dia mety hifarana ny fiainana. Marina fa satry tsy hieritreritra izany, nefa…
— Ny fanahiny : lehilahy iray tena malina, izay nihevitra fa tsy ho tratran’ny tampoka ratsy eo amin’ny lafiny ara-pivelomana, no nahare, indray andro, ny teny maha tonga saina hoe : „Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao” (Lioka 12:20). Adala ! Dia io ve no hany soratra ho hita eo amin’ny vato an-dohafasantsika ?
Ambaran’ny Filazantsara antsika anefa fa misy zavatra tsy afaka ho very, fanomezana atolotr’Andriamanitra antsika, ary tsy hain’inona na inona, tsy hain’iza na iza alaina amintsika. Io fanomezana io dia ny fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy Zanany. Mba efa noraisinao ve ?