Zoma 2 Jona 2023

Tsy hohadinoiko ny teninao… Izao no mampionona ahy amin’ny fahoriako ; ny teninao no mamelona ahy… Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:16, 50, 162

 

Harena sarobidy tany Bahamas

Tsy nahita afa-tsy fahantrana sy fahoriana i Marc-Philippe tany Haïti, tany niaviany. Nankany Bahamas izy mba hila ravinahitra, ary niasa tao amina fianakaviana manankarena. Nohararaotina tamin’ny fomba mahamenatra izy tany, nipetraka tao amina trano hazo tena marefo, tany amin’io firenena mpanefohefo io…

Tamin’ny faran’ny fahavaratra 2019, ny rivodoza Dorian dia nitondra tafiotra nihoatra ny 300 km isanora, nandravarava izay rehetra nandalovany, ka nahapotika tanteraka io tangoronosy nahafinaritra indrindra io. Nanjavona ny tranon’i Marc-Philippe, ka nandositra nialoka tany amina trano fiangonana iray izy. Nefa nirodana ihany koa io trano fivavahana io, noho ny herin’ny zavaboary. Dia nandositra indray i Marc-Philippe, nilomano nandritra ny adiny dimy, tsy nahita na inona na inona, nitondra ny hany fananana nentiny avy tany an-tranony, dia ny Baiboliny, nofonosiny tanaty plastika.

Nahoana moa i Marc-Philippe no naka fotoana hamono ny Baiboliny sy hitondra izany, na dia nanambana aza ny rivodoza ? Nahoana no tsy navelany ho latsaka tanaty rano ny Baiboliny, mba hahafahany milomano an-kalalahana kokoa ? Azo antoka ho sarobidy teo imason’io lehilahy io ny Baiboly, matoa nokolokoloiny fatratra toy izany ! Inoana fa io no zavatra sarobidy indrindra nananany, hany harenany !

Ny tenin’Andriamanitra no hita ao amin’ny Baiboly. Ireo teny ireo no mampahafantatra antsika ny fomba nomen’Andriamanitra ny olona, mba haha voavonjy ny fanahiny amin’ny ratsy mitondra azy ho amin’ny fahaverezana. Ny Mpamonjy dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, maty ary nitsangana velona indray ho antsika. Noho ny asa nataony, dia manana fahefana Izy hanafaka antsika, raha mino Azy isika. Ny hoe finoana dia ny mandray ny tanany atsotrany. Eny, ny Baiboly no harenan’ny mpino !