Asabotsy 3 Jona 2023

(Hoy Jesosy :) Tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. Jaona 5:30

Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. Jaona 6:38

 

Afaka hoe ? (1)

Lazaina indraindray fa tao an-tsaha Edena i Adama dia nalalaka tamin’ny safidiny. Teo anoloany ilay hazo voarara, naha te hihinana ny voany. Anjarany ny nanapa-kevitra… Toy ny miteny izany hoe malalaka izy ny tsy hankatò an’Andriamanitra. Nefa dia izany indrindra no fototry ny ota.

Diso izany fiheverana ny hoe fahafahana izany. Satria rehefa mandidy Andriamanitra, dia tsy manana safidy ny olona, fa tsy maintsy mankatò.

Adama dia tsy olona toa milina tsy akory, ka araka izany dia olona afaka izy. Saingy tsy tamin’ny sitrapony manokana no nampisy azy. Voarin’Andriamanitra izy (toa antsika tsirairay). Noho izany dia tompon’andraikitra izy, tompon’andraikitra hahafantatra ny hatsaram-pon’Ilay Mpahary azy, sy hanaiky am-patokiana ny sitrapony. Andriamanitra dia nitady izay hahasoa azy. Ka niteny an’i Adama Izy hoe : „Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany ; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana” (Genesisy 2:16-17). Tsy safidy tsy akory ny mankatò.

Jesosy kosa, amin’ny maha olona Azy, dia niaina nifanohitra tanteraka tamin’izany endrika safidy izany. Ny sitrapon’Andriamanitra Rainy no antom-pahavelomany. Mba nanao safidy ve Izy, na iray aza, nanoloana io sitrapon’ny Rainy io ? Tsia dia tsia ! Ny tsy fatokiana an’Andriamanitra no nitarika an’i Adama ho lavo, fa feno tanteraka kosa ny fatokian’i Jesosy, mbamin’ny fankatoavany.

Ny olona tsy miankina amin’Andriamanitra dia mihambo handeha any amin’izay tiany sy hanao izay tiany, tsy misy an’Andriamanitra. Jesosy kosa dia nandeha tany amin’izay nanirahan’ny Rainy Azy, niteny sy nanao araka ny tena izy, izay nolazain’ny Rainy Azy (Jaona 4:34). Mifanohitra tanteraka amin’i Adama sy ny taranany izany. Nony farany Andriamanitra dia nahita ny nahafaly Azy tao amina olona iray, dia Jesosy.

(amin’ny asabotsy roa manaraka ny tohiny)