Alahady 4 Jona 2023

Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely. Marka 6:31

Toy ny hazo paoma amin’ny hazo any an’ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ny alokalony. Tononkiran’i Solomona 2:3

 

Misitraka ny fanatrehany

O-hanami : io teny japoney io dia manondro ilay fomba fanao rehefa lohataona, mihaona mba hankafy hijery ny hazo serizy mamony, na eo amin’ny mpianakavy na miaraka samy namana.

Ny Baiboly dia miresaka amintsika fotoana fitsaharana sy fitombenan-tsaina. Ny hazo paoma lazain’ny andinin-tSoratra Masina faharoa androany dia maneho Ilay Malala, Ilay Tompontsika. Asainy isika hitokana mba hiala sasatra eo anilany, „eo ambanin’ny alokalony”. Ao amin’ny Marka 6, nirahin’i Jesosy ny mpianany hitory, ary rehefa niverina izy ireo dia sasatra, sady nalahelo noho ny vao nahafatesan’i Jaona Mpanao batisa. Dia tsara ny fihetsik’izy ireo, niara-nankeo anilan’i Jesosy ary nitantara taminy ny zavatra rehetra. Ndao hianatra haka fotoana miaraka amin’ny Tompontsika. Vonona mandrakariva Izy hihaino antsika.

„Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba… hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’ny andro mahory” (Hebreo 4:16). Mahare antsika mandrakariva ny Tompo.

Mosesy rehefa nitarika ny Zanak’Israely namaky ny taniefitra, dia niresaka matetika tamin’Andriamanitra. Voalaza mihitsy aza fa Andriamanitra dia niresaka taminy toy ny amina sakaiza. Lafiny hafa manan-danja izany ! Matetika isika no mivavaka mba hilaza izay ilaintsika, nefa ve isika mba mahay mihaino Azy ? Ho amin’izany isika dia tokony hangina, tsy hifantoka intsony amin’ny tenantsika sy ireo adin-tsaintsika, fa amin’Andriamanitra. Mampitony ireo eritreritra sy ny fikorontanan-tsaina isika, ao anaty fanginana. Mipetraka eo an-tongotr’i Jesosy isika, mba hisitraka ny fanatrehany. Eo anilany dia misinda ny hasasarana sy ny fangidiana. Ao amin’ny fitoniana vokatry ny fanatrehany, toy ny eo ambanina hazo mamony, dia afaka isika manadino ny zavatra rehetra sy mankafy ny fiadanana omeny antsika, noho ny asa nataony teo amin’ny hazofijaliana.