Alatsinainy 5 Jona 2023

Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny. Salamo 69:33

Ary nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy ; ary nihaino azy ny mpifatotra. Asan’ny Apostoly 16:25

 

Taratasy-na mpamaky iray

„Ato an’efitranokelin’ny fonja misy ahy, dia zava-dehibe amiko ny mivavaka amin’ny Tompoko ho anareo.

Herintaona sy roa volana aho izao no nigadra, ary indraindray dia miaina toy ny hoe anio no fara andro. Tsy hoe satria ratsy ny fitanana olona am-ponja, fa satria aho miandry zavatra tsara kokoa, dia hoe tonga Jesosy haka ny olony ho any an-danitra, hanatanteraka „fisintahana” mihoatra ny voajanahary.

Tsy toy ny ao amin’ny horonan-tsarimihetsika no ahitako ny fonja, fa tahaka „sekoly fibebahana”, ahafahako misaintsaina lalina momba ny lasa, manenina, mibebaka, mamitram-pihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’Ilay hany mpanalalana ahy amin’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, „Izay nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny maro”. Mino Azy sy mandray ny fiainana mandrakizay, manaraka Azy sy mihazona ny Teniny, izany no tanjon’ny fiainako etỳ.

Miaraka amina voafonja hafa aho dia manatsidika ny momba ny famelan-keloka avy amin’i Kristy, atolotra antsika tsirairay…

Indraindray aho, rehefa mifoha ny maraina, dia mihira tsy nahy fiderana an’Andriamanitra. Indraindray koa aho manontany tena hoe : Mba iza moa aho no dia karakarain’Andriamanitra ? Indraindray aho mahatsiaro tena ho mpanota loatra, ka tsy sahy mitraka akory hijery Azy ; indraindray aho kivy…

Ao amin’io sekoly fibebahana io dia miteny amiko Andriamanitra. Najanony aho tsy hanohy intsony ilay fiainako adala nanalavirako fatratra ny fanatrehany. Ankehitriny dia misarika ahy ny fitiavany : „Mamelombelona ny fanahiko Izy ; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy” (Salamo 23:3).

Ho famaranana, dia mba misy fangatahana ity : mila Baiboly amin’ny fiteny samihafa ny fiahiana ara-panahy atỳ amin’ny fonja. Mba omeo anay izay azonareo omena. Fiadanana aminareo !”