Talata 6 Jona 2023
Ny toetrantsika taloha dia niaraka nohomboana taminy (tamin’i Kristy)… Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy. Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, hanarahanareo ny filàny. Romana 6:6-12
Rehefa manatona ny Tompo amin’ny alalan’ny finoana aho, dia mianatra hahafantatra an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Mandray aina vaovao aho, dia ny fiainana mandrakizay. Noho izany aho dia mianatra ihany koa hahafantatra tsara kokoa ny tenako. Ary mety hahakivy ahy ny zavatra hitako. Tsy vitan’ny hoe manao fahotana mantsy aho, fa tsapako koa ny fisiana toetra ratsy ato anatiko, miteraka ireo fahotana ireo.
Satria aho mpino „nateraka indray”, dia manana toetra vaovao velomin’ny Fanahin’Andriamanitra, mba hanao ny tsara. Amin’ny lafiny iray aho dia maniry hankasitrahin’ny Tompo, ary amin’ny lafiny ilany kosa dia mirona hanota !
Ny Filazantsara no manome ahy ny tsiambaratelon’ny fandresena : ny fahafatesan’i Kristy, fahafatesana namafa ireo fahotako, dia nanafaka ahy koa tamin’ny fanandevozan’ny ota ao amin’ny nofoko (izany hoe ilay toetrako taloha). Nohelohin’Andriamanitra teo amin’ny hazofijaliana io ota io (Romana 8:3). Raha mino izany aho, dia mandresy azy ary afaka amin’ny fanagejany.
Ireo andininy voatanisa etsy ambony dia mampiseho antsika zavatra telo hotadidina :
— Izay nataon’Andriamanitra : „Ny toetrantsika taloha dia niaraka nohomboana taminy (tamin’i Kristy)”.
— Ny vokatr’izany : „Ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota”. Izany fanafahana izany dia asa efa vitan’i Kristy.
— Ny fampiharana izany : „Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo”. Raha mihevitra ho efa niara-maty tamin’i Kristy aho ny amin’ny ota, dia tsy afaka ho tompoko intsony ny ota, ary ho tsapako fa mifamatotra amin’ny fiainan’i Kristy ny fiainako (Kolosiana 3:3). Koa ho afaka tsy hijery intsony ny ratsy ato anatiko aho, ka hiara-miaina amin’ny Tompoko ao amina fiombonana akaiky sy mahatretrika.