Alarobia 7 Jona 2023
Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko. Galatiana 2:20
Ry izaho* malala,
Ataoko fa nokarakaraiko tsara mandrakariva ianao. Afaka miteny aho hoe nametraka anao ho ambony noho ny zavatra rehetra, saika tamin’ny fotoana rehetra, ary nanao izay hanananao ny anjara tsara indrindra, ny toerana tsara indrindra…
Ankehitriny aho dia manana fitaovana vaovao ao amin’ny „internet”, ka tsy mandefa afa-tsy sary maneho anao amin’ny endrikao tsara indrindra…
Tiako ianao, ry izaho malala… Saingy tsy afaka hiaina ho anao intsony aho.
Ry izaho malala, navelako taminao ny familiana, ka naka ny toeran’ny Mpamily ianao. Saingy hitako ankehitriny fa tsy afaka hatoky anao aho. Hentitra erỳ ianao miteny hoe mahafantatra ny lalam-piainana tokony halehantsika, nefa dia tafiditra mandrakariva amina lalana tampina isika.
Nandre aho fa misy lalana hafa mitondra ho amina fiainana tena izy sady be dia be, ary io lalana io dia Jesosy Kristy.
Somary mivantambantana ihany aho, miteny aminao hoe tsy afaka hitondra anao miaraka amiko ho amin’io lalana io.
Noho izany, ry izaho malala, dia vita hatreo ny aminao.
„Mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy [Jesosy]” (Kolosiana 1:18).
*Ao amin’ny Baiboly, arakaraka ny toejavatra resahina, ny teny hoe „izaho” dia manana dikany roa :
— „Tsy izaho intsony no velona” : ny „izaho” eto dia maneho ny sitrapon’ny olona tsy misy an’Andriamanitra.
— „Fa Kristy no velona ato anatiko” : ny resahina eto dia ny maha izy azy ny olona, ilay olona tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra, ambaran’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 12:5 hoe : „Fa ny amin’ny tenako dia tsy hirehareha aho”.