Alakamisy 8 Jona 2023
Anaka, atolory ahy ny fonao. Ohabolana 23:26
(Hoy Jesosy :) Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20
„Tompo ô, maheno ahy ve Ianao ? Mijaly mafy aho, voageja ato anatiko, voafatotry ny tenako ihany, tsy mahare afa-tsy ny feoko, tsy mahita afa-tsy ny tenako. Tompo ô, maheno ahy ve Ianao ?
Afaho amin’ny vatako aho, hanoanana tokoa tokoa izy… Afaho amin’ny foko aho, mibontsina be amin’ny tenako izy… Afaho amin’ny saiko aho, feno avonavona izy…
Tompo ô, tsy afaka mivoaka aho, sady tiako ny fonjako no halako koa, satria ny fonjako dia izaho ihany !
Ary izaho dia tia ny tenako, tia ny tenako aho, ry Tompo, ary maharikoriko ahy izany.
Tompo ô, aiza ny varavarana ? Raiso ny tanako. Sokafy, atoroy ahy ny lalana, ny lalan’ny fifaliana, ny lalan’ny fahazavana.
— Ry sakaiza, mahare anao ny Tompo. Manohina Azy ny fijalianao.
Hatry ny ela Izy no nanara-maso ireo varavarankelinao mihidy, sokafy ireo, dia hanazava anao ny fahazavany.
Hatry ny ela Izy no nijoro teo am-baravaranao mihidy lakile, ka vohay io, dia ho hitanao eo an-tokonana Izy.
Miandry anao Izy, miandry anao ny hafa,
Saingy tokony hamoha ianao, tokony hivoaka avy ao aminao.
Nahoana no mijanona ho voafonjan’ny tenanao ? Afaka ianao.
Tsy Izy no nanidy ny varavaranao. Tsy Izy no afaka hamoha azy indray, fa ianao mitazona azy mihidy mafy ao anatiny ao.”
(namboarina avy tamin’i Michel Quoist)„Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo… Raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy” (Isaia 30:18-19).