Zoma 9 Jona 2023
Tsy misy marina, na dia iray akory aza ; tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’Andriamanitra… Tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza. Romana 3:10-12
Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô. Salamo 51:10
Mbola tsy nandroso haingana toy ny amin’izao ankehitriny izao mihitsy ny siansa, teo amin’ny tantara. Mampitolagaga ny asa lehibe vitan’ny siansa. Saingy toa tsy naharaka io fivoarana io ny toetran’ny zanak’olombelona. Mitovy na mitombo kokoa noho ny tany aloha aza ny fifandirana sy ny fahantrana ara-toe-panahy.
Hoy ny filôzôfa Edgar Morin : „Ny siansa dia mandroso, fa ny fieritreretana kosa mihemotra”. Dimanjato taona mahery lasa i Rabelais nilaza hoe : „Ny siansa tsy ombana fieritreretana dia tsy inona fa faharavan’ny fanahy”. Vao mainka aza ny fandrosoan’ny siansa ampiasaina hamonoana olona. Ary inona no holazaina manoloana ny fandrosoana mahatalanjona eo amin’ny sehatry ny haitaranaka (génétique) ?
Koa tsy hahay hivoatra ve izany ny toetran’ny zanak’olombelona ?
Izany no lazain’ny Baiboly, tsy am-pisalasalana. Ambarany fa very avokoa isika, „namidy ho andevon’ny ota” (Romana 7:14), tsy mahay mandresy ireo fironana ratsy ao anatintsika, ireo fahalemena maha meloka antsika, ny avonavona mitampify ao anatin’ny fontsika ao… Ny ho tafavoaka amin’ny herin’ny tenantsika ve ? Nofinofy izany. Ka noho izany dia asain’Andriamanitra isika tsy hanantena na inona na inona avy amin’ny toetrantsika, fa hanantena ny zavatra rehetra avy aminy. Ireo rehetra manaiky izany fijery izany, ka mino fa Jesosy Kristy no Ilay Zanak’Andriamanitra, nirahiny ho eto amin’izao tontolo izao hamonjy ny mpanota, dia omen’i Jesosy aina vaovao, ilay aina hany afaka hanao ny tsara, dia ny ho tia toa Azy, hankahala ny ratsy amin’ny endriny rehetra, hanatanteraka izay rariny, hanana ny hery hanehoana am-panetrentena ireo toetran’i Jesosy, toetra tsara ara-panahy aman-tsaina. Ny miaina ny ain’i Kristy no hany vahaolana tsy hamelana ny toetra ratsiko hiasa.