Asabotsy 10 Jona 2023

Jesosy… nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro… ka nalain’ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy… dia noana Izy. Ary hoy ny devoly taminy : Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe : Voasoratra hoe : „Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona”. Lioka 4:1-4

 

Afaka hoe ? (2)

Taorianan’ny telopolo taona niainany tamina fomba tsotra, tao amin’ny fianakaviana mpandrafitra, dia hanomboka ny asany ampahibemaso Jesosy. Nataon’i Jaona batisa tao Jordana Izy, ary nambaran’ny Ray ampahibemaso avy any an-danitra fa Izy no Zanany malalany. Avy eo Jesosy dia nentina tany an-taniefitra mba halain’i Satana fanahy.

Adama, nalaim-panahy tao an-tsaha Edena, dia nanana ny zavatra rehetra nilainy. Jesosy kosa dia tany an-taniefitra, tsy nihinana na inona na inona, nandritra ny efapolo andro. Dia niseho i Satana. Notoroiny hevitra Jesosy mba hivelona amin’ny herin’ny tenany, sy araka ny nahim-pony manokana. Izany hoe, i Satana dia nitady hampanao Azy zavatra ho Azy tenany manokana, ary tsy hiankina amin’Andriamanitra. Jesosy anefa dia tsy te hanao na inona na inona tsy miaraka amin’Ilay Andriamaniny, niantehitra taminy Izy tamin’izay zavatra rehetra momba ny tenany. Ny Tenin’Andriamanitra no sakafony, ary ampy Azy izany. Ny sitrapon’io Lehilahy lavorary io dia nifanaraka mandrakariva tamin’ny sitrapon’ny Rainy.

Tamina fakam-panahy roa hafa, i Satana dia mbola nitady hanakorontana ny fatokian’i Jesosy an’Andriamanitra sy ny tsy fivadihany aminy. Nandresy anefa Jesosy, ka voatery niala i Satana.

Fanamby lehibe ny tamin’io fakam-panahy io. Talohan’ny hanombohan’i Jesosy hampianatra mantsy, dia tsy maintsy voaporofo ny fankatoavany sy fatokiany an’Andriamanitra.

Raha tonga tamin’ny tanjona tiany notratrarina i Satana, dia ho very tsy nisy nantenaina intsony ny zanak’olombelona. Saingy tsy nahomby izy. Tsy nisy nokianina ny fitondrantenan’i Jesosy, nampiseho fa tsy nanana ota Izy : avy eo, teo amin’ny hazofijaliana, dia Izy irery no afaka nanolotra ny tenany ho fanatitra noho ireo fahotantsika.