Alahady 11 Jona 2023
Andriamanitra… naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ny voninahitra. 1 Timoty 3:16
Ny namako akaiky ahy indrindra dia manontany ahy matetika momba ny fisian’Andriamanitra. Tolorako teny ao amin’ny Baiboly izy, saingy hetsika very maina izany, satria mandahatra hevitra saro-takarina izy, hanoherany izay lazain’Andriamanitra.
Toa izany koa, dia maro ny olona mandà an’Andriamanitra. Nefa kosa ireo mikatsaka ny hahafantatra Azy dia valian’ny Baiboly hoe : „Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra” (Jeremia 29:13). Alohan’ny hametrahana fanontaniana momba ny fisian’Andriamanitra, dia tsara raha manontany tena hoe : „Te hahafantatra Azy ve aho ?” Na koa „Izaho ve tsy mitady fotsiny tohan-kevitra hanaporofoako fa tsy misy Izy ?”
Ny Baiboly dia mampahafantatra ahy hoe iza moa Andriamanitra, Ilay Mpahary, Izay nampisy izao zavatra rehetra hita maso izao tamin’ny hatsaran-tarehiny voalohany. Mihoatra noho izany aza, „Andriamanitra dia naseho teo amin’ny nofo”. Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia teraka sy velona tetỳ an-tany mba hampiseho tanteraka, am-panetrentena, ireo toetran’Andriamanitra, dia fitiavana, fahazavana, fahamarinana, famelan-keloka… Nasehon’i Jesosy ahy tam-pitiavana fa Andriamanitra dia tena lehibe ary izaho tena marefo, Izy dia tena masina, ary tena lehibe ny fahasoavany sy ny fahari-pony amiko. Hoy ny Filazantsara amintsika : Jesosy Kristy dia „teo amin’izao tontolo izao… ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy” (Jaona 1:10).
Andriamanitra dia nampahafantatra ny tenany tamina zava-nitranga. Ny zavaboary, ny fahatongavan’ny Zanany, dia porofo azo tsapain-tanana maneho ny fisiany. Nefa ny finoana ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no afaka manazava antsika, manome antsika faharesen-dahatra fa misy Izy. „Raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra” (Jaona 11:40).