Alatsinainy 12 Jona 2023

Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika ; ka tomoera tsara. Galatiana 5:1

Izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana. 2 Korintiana 3:17

 

Iza marina no tena afaka ?

Bernard Palissy, mpanefy tanimanga fanta-daza tamin’ny taonjato faha-16, dia nogadrain’ny Antenimiera noho ny finoany. Naniry hiaro ny ain’ity lehilahy ity ny mpanjaka Henri II, satria izy irery no nahay namboatra vazy tena tsara tarehy. Saingy na ny fandrahonana, na ny fampanantenana, dia samy tsy nisy vokany teo amin’ilay voafonja, izay tsy nanaiky mihitsy ny hiala amin’ny finoany. Nankany an-tranomaizina mihitsy ny mpanjaka mba hitaky ny handavany.

— Raha tsy manao izany ianao, hoy ny mpanjaka, dia izaho mihitsy no voatery hanameloka anao ho faty.

— Ry mpanjaka ! hoy i Palissy namaly, ny mpanjakan’i Frantsa ve no reko miteny hoe : Ho voatery hanao zavatra ? Izaho, tsy inona fa mpanao asa kanto mahantra, anisan’ny madinika indrindra amin’ireo mpanompon’ny mpanjaka. Ary migadra aho ankehitriny. Na izany aza anefa, tsy misy hery, na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao, afaka hanery ahy hanao zavatra mifanohitra amin’ny fieritreretako. Anisan’ireo mpanjaka lehibe indrindra eto an-tany ianao, nefa dia milaza hoe voatery hanao zavatra. Ry mpanjaka, iza amintsika roa lahy no tena olona afaka ?

Te ho afaka ny olona, ary mihevitra fa afaka. Nefa tena voafetra ny fahafahany, na inona na inona fahefana ananany. Na nanjary andevon’ireo fihetsehampoko aza aho, andevon’ireo filàko, ary angamba aza andevona fiankinan-doha, dia milaza amiko ny Baiboly fa manana fahefana Jesosy Kristy hanafaka ahy amin’izany. Raha matoky Azy aho, dia manafaka ahy amin’ny fatotra rehetra ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. „Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo” (Jaona 8:36).