Talata 13 Jona 2023

Izay tia vola, tsy hety ho voky vola ; ary izay fatra-pitia harena be, tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena ; fa zava-poana koa izany. Mpitoriteny 5:9

Ato amiko (hoy ny Fahendrena) ny harena sy ny voninahitra, eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana. Ohabolana 8:18

 

Ny hambom-po

Ny hambom-po dia azo faritana ho faniriana lehibe hahazo izay afaka manasohaso ny hambo. Izy io dia mpanetsika fantatra tsara ao amin’ny tontolon’ny asa sy ny fiarahamonina. Aza voafitaka isika, fa tsy toetra tsara ho an’ny kristiana izy io ! Charles Spurgeon, mpitoriteny anglisy malaza, dia nilaza fa fivaonana ny hambom-po, raha ao amina kristiana. Ny fikatsahana fahombiazana mantsy dia mahatonga antsika hitsiriritra izay tsy ananantsika, manosika ho amin’ny fialonana sy fitiavantena, manidy ny fo tsy hangoraka. Mampanadino antsika an’Andriamanitra izy io, ary mamatotra antsika amin’izao tontolo izao sy izay azony atolotra.

Marina fa isika dia tokony hikaly tsara ny asa, „tahaka ny ho an’ny Tompo”. Nefa inona moa no laharan-kamehantsika ? Isika ve manaiky ho difotry ny asa aman-draharaha, ka manao an-tsirambina ny ankohonantsika, ny namana, ny fotoana iarahana amin’ny Tompo Jesosy ? Tsy izany no tadiaviny. Mifanohitra amin’izany aza, fa amin’ny alalan’ny Teniny dia te hampahita antsika ny harenany rehetra Izy : ny haben’ny harenan’ny fahasoavany, ny voninahiny, ny maha Izy Azy, ny zavatra nataony, ary izay tiany homena antsika ankehitriny sy amin’ny hoavy. Ny faniriantsika lehibe indrindra, ny tokony ho „hambom-pontsika” kristiana dia ny mitady hahafantatra tsara kokoa ny sitrapony ambara ao amin’ny Baiboly, mba hahafaly Azy, hanome haja Azy eo amin’ny fiainantsika manontolo, ary hanompo Azy. Ndao hampifantoka ny ezaka ataontsika, tsy hoe hanatsaratsara kokoa ny zava-mampiadana antsika, fa hiaina ho an’i Kristy, ho an’ny Fiangonany, ary ho an’ny Filazantsara. Ndao hanao ireo safidy tsara, fa tsy handany andro eto an-tany amina zavatra tsy mahasoa !

„Aleo ny kely, misy ny fahatahorana an’i Jehovah, toy izay harena be, misy ahiahy” (Ohabolana 15:16).