Alarobia 14 Jona 2023
Ary hoy Izy (Jesosy) taminy : Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy ; koa amin’izany, mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. Lioka 10:2
Gladys Aylward (1902-1970) dia naniry mafy handeha ho misionera any Chine. Nahazo antoka izy fa asain’Andriamanitra mandao an’i Angletera tany niaviany, mba hanao asa fanompoana Azy miandry azy any. Nolavin’ny tao amin’ny Misiona kristiana sinoa tao Londra ny fanampiany, nandramana nokivina izy. Nefa tsy nisy nahakivy azy. Tsy nanam-bola izy, ka nanao mpiasa an-trano nandritra ny volana maro. Tsikelikely teny izy dia nahangona vola ahafahany mandoa ny saran-dalany. Farany izy dia nandao an’i Angletera, tamin’ny herin’ny tenany, ka nankany amina namana iray tany Chine. Nanokatra tranom-bahiny izy mirahavavy, ka olona maro mpandroaka ampondra no nivahiny tao ary nahare ny hafatry ny Filazantsara.
Na maty aza ilay namany tatỳ aoriana, dia tsy nitsoaka an-daharana i Gladys. Nantsoin’ny mpitondra fanjakana sinoa izy ho „mpanara-maso ny tongotra”, mba hanafaka ny ankizivavy sy ny vehivavy tamin’ny fahazarana mamehy lamba ny tongotra. Asa sarotra izany, nefa nahafahany nitondra ny Filazantsara tany ambanivohitra lavitra.
Niitatra tsikelikely ny asa fanompoany : nankany amina fonja izy, nitsabo sy nitory Filazantsara tamina olon-dratsy, nanangana zaza… Nandritra ny ady lehibe faharoa dia namakivaky an’i Chine izy, nitondra ankizy zato eo ho eo nandositra ny tafika japoney. Nandray azy tsara ny Sinoa sady tia azy, ary nanome azy anarana sinoa hoe Ghen Ai.
Rehefa mandre tantara mahavariana-na misionera isika, dia mety hieritreritra hoe ny hafa ihany no miaina izany… Gladys anefa dia ohatra maneho tsara ny mifanohitra amin’izany. Nolazaina azy fa „vehivavy ihany izy” ary „tsy ampy fahaizana”, nefa dia hain’Andriamanitra ny nampiasa azy tamin’ny fomba mahatalanjona.