Alakamisy 15 Jona 2023
Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9
Teo amina trano heva iray tao an-tsena, dia nanolotra filazantsara tamina mpandalo iray aho, sady niteny hoe : — Maimaimpoana ity !
— Tsy te hino an’i Jesosy Kristy aho, satria voafitaka sy nosolokin’olona nilaza ny tenany ho kristiana, hoy izy namaly henjana.
— Izay ihany ve no tena antony ?
— Ie.
— Avelanao hosoratako ato amin’ny karine-ko ve izany ?
— Tsy maninona, izaho mihitsy no hanoratra izany ho anao !
Dia nendahiko ilay taratasy, natolotro azy, sady hoy aho hoe :
— Tehirizo tsara ity taratasy kely ity, hasehonao an’Andriamanitra rehefa hijoro eo anatrehany ianao, amin’ny andro fitsarana.
Tsy lasa lavitra akory izy dia niverina, ary teny an-tanany ilay taratasy :
— Tsy mitombina ny fialan-tsiniko… Fialana fotsiny.
Fifampiresahana matotra no taorianan’izany, nohamafisina teny maro ao amin’ny Baiboly. Tatỳ aoriana kely io lehilahy io dia vita fihavanana tamin’Andriamanitra. Hoy Jesosy : „Izay mandre ny teniko, ka mino Izay naniraka Ahy, no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).
Hiteny ny sasany hoe : „Ny fivavahana, tsy natao ho ahy izany… efa be loatra ny hitako”, na koa hoe : „Ny ray aman-dreniko nilaza ny tenany ho kristiana, nefa fihatsarambelatsihy toa inona !”
Ianao koa angamba manana ny taratasy kelinao misy ohatra momba ireo kristiana marobe nanafintohina anao tamin’ny fitondrantenany mifanohitra tanteraka amin’ny an’i Kristy. Raha nahatofoka anao izy ireo momba ny finoana kristiana, aza mijanona eo fotsiny. Manatòna an’i Jesosy Kristy, Ilay hany vavolombelona mahatoky sy marina manambara ny fitiavan’Andriamanitra. Fitiavana lehibe aoka izany, hany ka natolony teo amin’ny hazofijaliana ny ainy, ho an’ireo rehetra mino Azy. Manatòna an’i Jesosy, Ilay hany Mpanalalana eo amin’Andriamanitra sy ny olona. Raha Izy, dia tsy handiso fanantenana anao na oviana na oviana.