Zoma 16 Jona 2023
Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, izay nampisondrotra ny onjan-drano ; niakatra hatramin’ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ny lalina ; ny fanahiny levona noho ny fahoriana. Salamo 107:25-26
Dia nitsangana Izy (Jesosy), ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. Matio 8:26
Lehilahy roambinifolo izy ireo no tao anaty sambo, tokony ho tamin’ny telo maraina, niezaka mafy nivoy. Niady tao anatin’ny alina izy, niezaka hanatratra ny moron-drano, na dia notoherin’ny onja mahery sy ny rivotra manohitra aza. Efa niasa be izy ireo nandritra ny tontolo andro, ary izao dia tena sasatra, nefa tsy maintsy mbola miezaka mafy hihazona ny fitodiky ny sambo sy handroso ao anatin’izao alina misy tafiotra izao.
Nahoana no navelan’ny Tompo hisy izao toejavatra izao ? Izy mihitsy aza no nanery azy ireo hiondrana an-tsambo sy hiampita ny farihy, fa tsy hiandry Azy. Tsy fantany ve fa hisy izao tafiodrivotra izao ? Tsy ho hainy ve ny nibaiko izao rivotra be izao mba tsy hitsoka ? Sasatra mafy izy ireo ; koa nahoana no tsy miato ka miverina any amin’izay niaingany ? Na izany na tsy izany, tsy teo ny Mpampianatra, ary tsy nanao na inona na inona hanampiana azy ireo…
Fisainana toy izany no mandalo ao an-tsaintsika rehefa mitsoka ny tafiodrivotra. Ny fisaonana, ny aretina, ny tsy fahombiazana any an-tsekoly na any am-piasana, zava-tsarotra maro no toa tsy ho zakantsika. Ndao àry hamaky ny fiafaran’io tantara io : „Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy (Jesosy) ; dia nitsahatra ny rivotra”. Aza hadinontsika fa Andriamanitra dia efa nanomana ny fiafaran’ny fitsapana talohan’ny nanombohan’izany, ary ny hahasoa ny zanany no katsahiny mandrakariva. Koa tsy tokony hiantehitra am-patokiana amin’izany fahazoana antoka izany ve isika, na dia tsy takatsika eo no ho eo aza ny tanjona kendren’Andriamanitra ?