Asabotsy 17 Jona 2023
Ary Izy (Jesosy)… nandohalika ka nivavaka hoe : Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. Lioka 22:41-42
Izy dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Filipiana 2:8
Talohan’ny nanombohany ny asa fanompoany ampahibemaso, dia nalain’i Satana fanahy tany an-taniefitra Jesosy, ary nivoaka ho mpandresy. Dia nandeha nitety tanàna Izy, nanao soa sy nanasitrana ireo rehetra azon’ny herin’ny devoly (Asan’ny Apostoly 10:38). Nefa dia nankahalaina sy nolavina Izy. Nanakaiky ny fotoana hanomboana Azy eo amin’ny hazofijaliana…
Ora vitsivitsy talohan’ny nanomboana Azy Jesosy dia tao amina saha antsoina hoe Getsemane. Nitebiteby fatratra Izy, nieritreritra ny fitsaran’Andriamanitra hoentiny eo amin’ny tenany, hisolo toerana ny mpanota. Tena tsapan’i Jesosy mafy dia mafy ny zavatra miandry Azy. Ny eritreritra hoe hitondra ny fahotantsika sy „hatao ota hamonjy antsika” (2 Korintiana 5:21) dia nameno horohoro Azy, Izy Ilay Masina sy Marina (Marka 14:33). Nitalaho tamin’ny Rainy Izy, mba hanalany izany aminy. Nefa teo koa dia mbola navelany ny sitrapony, na lavorary aza, mba hanekeny ny sitrapon’Ilay Andriamaniny. Nanoa Izy, ary nanolotra ny tenany ho sorona tamin’Andriamanitra (Efesiana 5:2). Taorianan’izany ady mampihoron-koditra izany, izay nahatonga ny hatsembohany ho toy ny ra, dia nitsangana Izy, nankeny amin’ny mpianany, ary niteny tamin’izy ireo hoe : „Ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy, tsy hosotroiko va ?” (Jaona 18:11).
Teo koa, tamin’io fotoana nampitebiteby io, dia tsy nampiasa ny fahafahany mifidy Jesosy. Nifanohitra tamin’izany aza, ka „nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka (Zanak’Andriamanitra) aza ; ary… tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay, ho an’izay rehetra manaraka Azy” (Hebreo 5:8-9).
Ny fankatoavany lavorary dia nitarika Azy hanolotra ny tenany mba hanonitra ny fahotantsika, olona tsy mankatò sy mpanota. Omeny anao izany famonjena izany, raha mino Azy ianao.
(tapitra)