Alahady 18 Jona 2023

Ny Ray tia ny Zanaka. Jaona 3:35

Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ny fahafenoana rehetra. Kolosiana 1:19

 

Tsara noho ny zanak’olombelona

Fanatitra inona no hatolotra Anao, fanomezana inona, sorona inona, Ry Andriamanitray, ry Rainay ? Efa Anao avokoa ny zavatra rehetra… Fiderana mendrika Anao no tianao, Ny fiderana avy amina fo manandratra an’i Jesosy Kristy.

 

Eny, Jesosy irery no hany tsy manan-tsiny. Teo amin’ny olona rehetra, dia Izy no tsara indrindra. Teto an-tany anefa, ny endriny trotraka, Dia tsy nanintona, tsy namiratra ; natao toy ny tsy nisy Izy.

 

Akaiky Anao aoka izany Izy, Ray ô, ao amin’ny firaisam-po aminao, Miombona amin’ireo asanao sy ireo eritreritrao rehetra. Akaiky anay tanteraka ihany koa, saingy hafa dia hafa, Vahiny avy any an-danitra, manana fo mangoraka.

 

Nitia Azy Ianao, Andriamanitra ô, nonina tao aminy Ianao. Niteny tamin’ny anaranao Izy, ary nilaza ny fitiavanao, Ny fahasoavanao sy ny hamoramponao ; nefa naneho tamin’ny fiainany Fa mankahala ny fahotana Ianao, ary masina mandrakariva.

 

Nitia Azy Ianao, Andriamanitra ô, rehefa nanolotra ny ainy Izy. Nitondra ny fahotanay rehetra Izy, nafoinao, Nanoa sy natoky, nijanona teo amin’ny hazofijaliana, Niaritra ny famaizana, nanome voninahitra Anao mandrakariva.

 

Rehefa mibanjina ny Zanakao Ianao, dia feno hafaliana ny fonao. Ary ny fonay koa, satria ny fitiavanao Azy Dia nitosaka ho anay : noho ny asany teo amin’ny hazofijaliana, Dia toy ny ahitanao Azy no ahitanao anay. Isaorana mandrakizay anie Ianao !