Alatsinainy 19 Jona 2023
Koa izany no tsy mahamenatra Azy (Jesosy) hanao ireo hoe „rahalahy” ka manao hoe : „Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko Aho ; eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao”. Hebreo 2:11-12
Ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Matio 23:8
Ny Antsa ho an’ny hafaliana, tononkalon’i Friedrich von Schiller, dia fantatra ho famaranana ny amboaram-peonkira faha 9-n’i Beethoven. Nanjary hira fanevan’ny Vondrona Eoropeana io famaranana io. Mankalaza ny tarigetra hisian’ny firaisana sy ny firahalahian’ny olombelona izy io, tarigetra tanteraka ao anaty fifaliamben’ny rehetra : „Ry mananaina an-tapitrisany, aoka hiara-mifamihina ho iray…” Ny Antsa ho an’ny hafaliana dia azo omena ihany koa ny lohateny hoe : Antsa ho an’ny firahalahiana. Iza tokoa moa no tsy haniry hahita, indray andro any, ny olona rehetra hifampiantso hoe rahalahy sy hifampitondra araka izany ?
Indrisy anefa, fa hafa tanteraka ny zavamisy. Korontanina ady tsy misy farany izao tontolo izao, ary manjavona ao ambadiky ny fitiavantena isan-karazany ny firahalahiana.
Tonga tetỳ an-tany anefa Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, mba haka, avy ao amin’ny zanak’olombelona, ankohonana ho an’Andriamanitra Rainy. Naoriny nifototra amin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray io ankohonana io. Noho ny finoana an’i Jesosy Kristy isika dia manjary zanak’Andriamanitra (Jaona 1:12) ary azon’i Jesosy antsoina hoe rahalahiny (Jaona 20:17). Ny firahalahiana dia efa azo iainana sahady rehefa aorina ho hita maso —amin’ireo mpino manodidina antsika- ny atao hoe ankohonan’Andriamanitra. Fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina no mampiavaka ny fanjakan’Andriamanitra Raintsika (Romana 14:17). Ny miaina sahady io fanjakana io ve, na dia voamariky ny fahalementsika aza izy io, tsy antsa ho an’ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika ?
Aza hadinointsika ihany koa fa ny namantsika dia rahalahintsika, na iray amin’ny ankohonantsika, ka amin’izany, tokony hotiavintsika.