Talata 20 Jona 2023
Fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika… Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. Romana 8:26, 28
Nivoaka ny valim-panadinana, tsy afaka indray i Émilie ! Nalahelo ny fianakaviany manontolo. Tsy fahombiazana maro no nahazo an’i Emilie, noho ny tsy fatokiany tena. Maro ny nivavaka ho azy, mba hanomezan’ny Tompo azy fahombiazana amin’izay, mba hampahery azy… Nefa e e e ! Dona mafy ho an’ny faharisihany… sy ho an’ny finoany ! Herintaona very, vavaka tsy nisy vokany… Fa nahoana, ry Tompo ?
Raha jerena maimaika, dia toa zava-dratsy ireo tsy fahombiazana, ary mandrava ny olona sasany mihitsy aza. Hikomy ve isika, halahelo, hiampanga ny Tompo, hanadino ilay fampanantenany hoe : „Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” ?
Matetika loatra isika no mihevitra ny fe-potoana akaiky, araka ny zavamisy fantatsika. Fa Andriamanitra kosa mijery lavidavitra kokoa, mahita ny zavatra tsy hita maso sy maharitra mandrakizay. Aminy dia tsy midika ho taona iray very ny tsy fahombiazana ! Nikarakara an’i Emilie Andriamanitra, nandritra io taona io. Nampianariny Izy hahafantatra Azy tsara kokoa, hatoky Azy… Nandroso izy teo amin’ny fiainana maha kristiana azy, ary zava-dehibe lavitra izany noho ny fahombiazana eo amin’ny fianarana.
Ny finoana Ilay Andriamanitra tia antsika dia ahafahantsika mandresy ireo fahadisoam-panantenana, am-pitoniana sy tsy misy fikomiana. Manome haja ny Tompo, ary afaka hampahery ireo akaiky antsika, ny fatokiana ny fitiavany sy ny fahendreny tsy mety diso.
Ny tsy fahombiazana dia toa tsy haintsika hazavaina, indraindray, ary heverintsika ho tsy rariny mihitsy aza. Ho hitantsika, any an-danitra, fa nanana ny fiheviny ny Tompo, ary nitady izay hahasoa antsika…
Ndao hijery Ilay alaintsika tahaka : Jesosy dia faly nanoa tsotra fotsiny : „Eny, Raiko ; fa izany no sitraponao” (Matio 11:26).