Alarobia 21 Jona 2023
Fa raha nahita ny rivotra izy (Petera), dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe : Tompo ô, vonjeo aho ! Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe : Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao ? Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra. Matio 14:30-32
— Manana fisalasalana aho, matetika. Toa marefo aoka izany ny finoako, ka amin’izay aho dia manontany tena raha manana finoana na tsia. Izany ve no izy ?
— Fantatrao fa ny fisalasalana dia tsy hoe tsy finoana tsy akory, nefa raha mianina amin’ny fisalasalana dia voatarika ho amin’ny tsy finoana. Ny olona tsy mino dia tsy mino izay lazaina azy, mandà izany. Izay misalasala kosa dia mametra-panontaniana, manontany tena, ary maharary izany indraindray. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny fisalasalana resahina dia fisalasalana mpino : fisalasalan’i Petera, nilentika tany anaty rano rehefa nandeha nankeny amin’i Jesosy, fisalasalan’ny mpianatra sasany rehefa nifanena tamin’i Jesosy nitsangana velona indray, sns.
Aza matahotra mitantara ny fisalasalanao amin’Andriamanitra. Hamaly anao Izy. Mety hataony mivantana izany, rehefa mivavaka irery ianao, na miaraka amina namana kristiana, na rehefa mamaky Baiboly ; satria ny Tenin’Andriamanitra dia velona, ka mahatratra hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy (Hebreo 4:12-13). Ary ny finoana dia avy amin’izay re ao amin’ny Tenin’i Kristy (Romana 10:17).
Ny fisalasalana dia mitranga ihany koa ho fitsapana ny finoana, ahafahana manavaka ny finoantsika miorina amin’ny fahendren’ny olombelona, na dia kristiana aza ireo, amin’ny faharesen-dahatra miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Raha mahazo antoka isika fa eo anilantsika mandrakariva ny Tompo Jesosy, dia mianatra ny tsy hamotsotra ny tanany, ka mitombo ny finoantsika. Ny kristiana nandalo fisalasalana dia matetika nahazo ny fanetrentena ilaina mba hiresahany amin’ny hafa, sy hizarany aminy, ireo ahiahin’izy ireo.
„Tsy noho ny habadoako no inoako an’i Jesosy Kristy sy anambarako ny anarany. Ny faharesen-dahatra hoe tonga mba hamonjy ahy Izy, dia teraka avy amin’ny afon’ny fisalasalana.”
(Fiodor Dostoïevski)