Alakamisy 22 Jona 2023
Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin’ny làlany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian’ny ataony. Jeremia 26:3
Haniraka ny zanako malalako aho ; angamba hanaja azy izy. Lioka 20:13
Ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina roa androany ireo dia ahitana ny teny hoe „angamba”, izay manamarika ny fisalasalana amin’ny valin-javatra andrasana. Mety ho gaga isika, mahita fa Andriamanitra no miteny izany. Izy no Ilay Andriamanitra Tsitoha, mahafantatra ny fiafaran’ny zavatra iray alohan’ny hiantombohany (Isaia 46:10). Nefa ireo „angamba” ireo dia manazava amintsika momba ny fomba fiasan’Andriamanitra amintsika. Manolotra lalana ho antsika Izy, manasa antsika hanaraka io lalana io, ary miandry ny valintenitsika. Ireo „angamba” ireo dia mampahatsiahy antsika ihany koa fa zavaboary tompon’andraikitra isika, ary afaka manao safidy, sady afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy.
Tokony ho 2600 taona izay, dia nilazan’Andriamanitra i Jeremia mpaminaniny mba hampitandrina ny Zanak’Israely (andinin-tSoratra Masina voalohany etsy ambony). Nefa ny fon’ny zanak’olombelona dia maditra sy mafy toy ny vato. Tsy maintsy niaiky Andriamanitra fa nandà tsy hihaino sy tsy hankatò Azy ilay vahoaka tiany.
Avy eo dia nirahiny ho etỳ an-tany Jesosy Zanany Lahitokana, mba hiteny amintsika : Angamba hanaja ny Zanako malalako izy ireo. Nefa „natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika”, araka ny nolazaina mpaminany iray hafa mialoha (Isaia 53:3). Novonoina ho faty Jesosy, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Nefa nitsangana velona indray Izy, resy ny fahafatesana. Izay mino Azy dia mahazo ny fiainana mandrakizay. Ankehitriny Andriamanitra dia mbola mahari-po hatrany. Ny hatsaram-pony dia manosika ny olona tsirairay hibebaka sy hitodika amin’i Jesosy, mba handray famelan-keloka maimaimpoana. Tia anao Andriamanitra ary mitaona anao am-pitiavana. Asehony anao ny lalan’ny famonjena. Aza misalasala mihaino Azy, satria „mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15).