Zoma 23 Jona 2023
Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:14
Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 3:15
Naoto Kan no praiminisitra japoney fony nisy horohorontany tany Fukushima, tamin’ny volana marsa 2011, ka nahatonga loza ara-nokleary. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana dia niresaka momba izany izy :
„Ataoko fa namonjy an’i Japana Andriamanitra, tamin’io fotoana io. Natahorana hipoaka toy ny baolina ny efitra fanibohana ny milina faharoa mpamokatra herin’aratra, satria nisy sopapa fiarovana iray tsy nety nisokatra. Ny fipoahana dia ho nanaparitaka lavitra poti-javatra manelatra (radioactifs) be dia be. Nefa dia nihena ho azy tamin’ny fomba mahagaga ny tsindry. Mandraka izao dia tsy misy olona nahafantatra ny nahatonga izany.
Tao amin’ny milina fahefatra mpamokatra herin’aratra dia natahorana hihanjahanja eny amin’ny rivotra ireo singa afaka mirehitra, tao anaty fitobian-drano fampangatsiahana, satria tsy nisy rano hampidina ny hafanany intsony, ka ho nanomboka nitsonika ireo singa ireo ; nefa dia nitriatra ny fitobian-drano teo akaikiny, ka afaka niditra tao ny rano.”
Asehon’Andriamanitra fa eo Izy, miditra an-tsehatra mivantana na tsy mivantana, mety ho amina fomba tsy hain’ny olombelona hazavaina. Iriny mandrakariva ny hahasoa azy ireo. Mampiasa zava-mitranga toy izany Andriamanitra, hikasihany ny fieritreretan’izy ireo, mba hanokafan’izy ireo ny fon’izy ireo ho amin’ny hamoram-panahiny te hamonjy azy.
Tsy tian’Andriamanitra ho very noho ny fahotany ny olona. Izany no anosehany azy ireo hiverin-dalana, hibebaka, ary ho tonga amin’ny finoana ny Tompo Jesosy.
Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : Raisiko ho zava-dehibe ve ny fitiavan’Andriamanitra, ireo fampitandremany, ny drafitra napetrany mba hamonjeny ahy hiala amin’ny lalana mitondra ho amin’ny fahaverezana.