Asabotsy 24 Jona 2023

Efa nihemotra niala tamiko izy rehetra, noho ny sampiny… Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo. Ezekiela 14:5-6

Isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy. 1 Jaona 5:20-21

 

Sampy

Olona marobe no nanompo sampy. Ary mbola izany ihany ankehitriny. Aoka isika tsy hihevitra fa tapa-kazo na sombina vato dia afaka hanana hery. Nefa kosa izay mampianatra na mampiasa ireny hery ireny dia mifandray amina hery ratsy sy mamitaka. Tsy misy dikany ny sampy, raha izy fotsiny, fa ny fampianaran’ireo izay manaraka izany fomba izany kosa dia mitanila, eo amin’ny lafiny ara-panahy.

Ireny, hoy ny Baiboly, dia „fampianaran’ny demonia” (1 Timoty 4:1). Fomba iray fiasan’ny herin’ny ratsy mantsy ny manaparitaka vaovao tsy marina sy filôzôfia mandainga.

Ny tontolo iainantsika ankehitriny dia feno fampianarana manohitra an’Andriamanitra, na tsy miseho ho manao izany aza. Izay rehetra mitarika tsy hiraharaha an’Andriamanitra dia manohitra an’Andriamanitra, raha ny marina. Izay rehetra poaka aty, manapaka an-tsitrapo na tsy nahy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, dia manjary sampy mora foana, satria mameno ny fotoanantsika sy mibahana ao an-tsaintsika.

Manana ny Tenin’Andriamanitra isika, hanoherana izany famitahana izany. Io Teny io dia manambara an’i Jesosy Kristy amintsika. Jesosy no Ilay fahamarinana, Izy no Ilay „endrik’Andriamanitra tsy hita” (Kolosiana 1:15), Ilay „Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay”. Izy no „làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Amin’ny alalany no ahafahantsika mifandray amin’Ilay Andriamanitra velona, dia Ilay nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ary koa manana ny hery hiaro antsika amin’ny ratsy (Kolosiana 1:13 ; Joda 24).