Alahady 25 Jona 2023

Anaka, atolory ahy ny fonao. Ohabolana 23:26

Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Ezekiela 36:26

 

Fanatitra velona

Tany atsimon’i Etazonia dia nisy misionera iray nitory Filazantsara tamina andian’olona tany an’ala. Noresahiny ny momba an’i Jesosy, Ilay Mpiandry tsara tonga tetỳ an-tany mba hitady sy hamonjy ireo izay very. Nolazainy azy ireo koa ny nivavahan’ny Mpamonjy mafy tao an-tsahan’i Getsemane, noho Izy hohomboana eo amin’ny hazofijaliana. Nolazalazainy ny fomba nisamboran’ny olona Azy sy ny fampijaliana mahatsiravina natao Azy, ary avy eo ny nandaozan’Andriamanitra Azy, rehefa nijaly sy maty ho antsika Izy.

Tamin’izay dia nanatona an’ilay misionera ity Indiana iray, latsa-dranomaso ary nanontany azy hoe :

— Mba maty ho ahy koa ve Jesosy, izaho izay Indiana mahantra ity ? Tsy manana tany homena an’i Jesosy aho, fa homeko Azy ny alikako sy ny basiko.

Namaly tan-katsaram-panahy ilay misionera, hoe zavatra hafa tanteraka no andrasan’i Jesosy aminy.

— Raha izany àry, dia homeko Azy ny alikako, ny basiko, ary ny firakotra volon’ondriko. Tsy afaka manome Azy zavatra mihoatra an’izay aho. Omeko an’i Jesosy izay rehetra ananako.

Naverin’ilay misionera ny teniny teo. Nalahelo ilay lehilahy, nanondrika ny lohany, sady nieritreritra. Tampoka teo dia nitraka izy, natoky kokoa, niteny hoe :

— Inty mihitsy àry ilay Indiana. Jesosy ve ho tia azy ?

Mba efa niainantsika ve izany fihetsika mahatalanjona, miantoraka tanteraka amin’i Jesosy izany ? Raha izany mantsy, dia afaka hiteny an-kitsimpo sy am-pifaliana isika, toy ny apostoly Paoly, hoe : „Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny… dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).