Alatsinainy 26 Jona 2023

Dia aza manahy ianareo, ka manao hoe : Inona no hohaninay ? na : Inona no hosotroinay ? na : Inona no hotafinay ?… Fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Matio 6:31-33

 

Fiarovana sandoka

Maromaro amintsika ny miaina ao anatin’ny azo lazaina hoe zava-mampiadana : tahiry kely, toerana tsara ara-pivelomana, fahasalamana… Manome fahatsapana ho voaaro izany. Tsy misy maharatsy izany. Nefa ndao jerena ny manodidina antsika, tsy ny olona rehetra mihitsy no miaina toy izany. Ary iza moa no mihazona ny fiadanana sy ny toejavatra tsara ahafahana misitraka izao fiainana izao ? Isika ve tsy mpitantana fotsiny ihany ny fananantsika ? Tsy antsika ho mandrakizay ireo. Misy olona tena manankarena nefa indraindray fadiranovana eo amin’ny lafiny ara-toe-panahy. Ny vola dia tsy ahafahana mividy ny fiadanam-po na ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy antoka ahazoana ny fahasambarana ny vola.

Ny Baiboly dia mitantara lehilahy manankarena iray nanao anakampo, indray andro, hoe : „Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao ; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe : Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao ?” (Lioka 12:19-20).

Aiza, eto amin’izao tontolo izao, no hahitana fiarovana, fiadanana ary tena fahasambarana maharitra ? Andriamanitra irery ihany no manome izany, ao amin’i Jesosy. „Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” : avelany heloka izay mibebaka amin’ny fahadisoany. Nandresy ny fahafatesana Izy, ary nitsangana velona indray. Omen’i Jesosy ny fiainana mandrakizay ianao, raha mino Azy. Dia ho voaaro ianao. Hoy Izy : „Tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako” (Jaona 10:28). Niteny koa Izy hoe : „Miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba” (Matio 6:20). Dieny ankehitriny izany tena harena izany, izay maharitra mandrakizay, dia efa takatr’izay manana an’i Jesosy ho Mpamonjy sy Tompo.