Talata 27 Jona 2023

Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho, sady mamonjy anao ; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho. Isaia 41:10

 

Tena namana marina

Indray andro aho dia nahita zavatra mahavariana : olona roa niara-nitsoka sodina… tokana ! Ankizivavy kely iray tapa-tanana no nitsoka ny sodina, ary ilay namany kosa nitendry ny tosy, hamoahana ny feo, tamin’ny tanany roa. Nahavita hira iray manontolo izy mirahavavy tamin’izany !

Lesona tsara ho an’ny fiainana izany. Nampahatsiahy ahy izany fa tsy misy toejavatra, na iray aza, tsy ananana fanantenana, raha toa eo anilantsika misy namana iray fara fahakeliny.

Potika angamba ny fiainanao. Manajamba anao ny fijaliana, mitoka-monina ianao, tsy te hatoky an’iza na iza intsony, mieritreritra mihitsy aza fa tsy misy dikany intsony ny fiainanao ary vita teo ny zavatra rehetra…

Mba te hiteny fotsiny aminao aho hoe misy Namana iray manolo-tanana anao efa hatry ny ela. Na tsy hitanao aza Izy io, dia akaiky ary tsy nandao anao na oviana na oviana, eny fa na dia nihevitra aza ianao fa nandao anao avokoa ny olona rehetra. Io Namana io dia Jesosy. Te hanatona anao Izy, eo amin’izay toerana misy anao, ary te hiara-mizaka aminao ireo alahelonao. Te hanampy anao Izy, ary afaka manampy anao handresy izany fahoriana izany, hanome fanantenana anao indray, hanafaka anao amin’ny lasanao, ary hanome anao aina vaovao. Matokia Azy. Mivavaha tsotra fotsiny, amin’ny fiteninao, angataho Izy mba haneho ny tenany aminao. Ho hitanao ao amin’ny Baiboly, ary indrindra ao amin’ireo filazantsara, ny tantaran’ny fiainany sy ny asa nanirahan’Andriamanitra Azy ka notontosainy, noho ny fitiavany ny olona tsirairay. Ho hitanao fa tsy tonga hitsidika olona lavorary tsy akory Izy, fa tonga hamonjy olona diso lalana, torotoro, voagejan’ny fisainany manimba… Izany hoe, raha fintinina, dia tonga Izy ho an’olona toa ahy sy ianao. Koa sahia matoky Azy, satria tsy handao anao Izy.