Alarobia 28 Jona 2023

Ry taranaka, dinihonareo ny tenin’i Jehovah ! Jeremia 2:31

Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina ? Jakoba 4:5

 

Ilay Tranomboky

Ny Baiboly dia fitambarana boky 66 nosoratana mpanoratra miisa 40 teo ho eo, nandritra ny 1500 taona. Tena tranomboky mihitsy izy io, tsy misy miavaka toa azy.

Na samihafa aza ny fomba fanoratra, ny mpanoratra, ny toejava-nisy sy toerana nanoratana ny Baiboly, dia mampiseho toetra iraisana mahagaga izy io, manomboka amin’ny Genesisy, ilay boky voalohany, ka hatramin’ny boky farany, ny Apokalypsy.

Boky tsy manam-paharoa ny Baiboly, satria manoritsoritra ny toe-tsaina amam-panahin’ny olona, tsy manarontsarona, nefa koa mikatsaka ny fanarenana azy. Ny Baiboly dia toy ny fitaratra, tsy manafina na inona na inona, miteny amin’ny fieritreretan’ny olona tsirairay sy amin’ny fony koa. Ny Baiboly dia mahakasika ny olona any anatiny lalina indrindra any, tsy mandokadoka azy na oviana na oviana, tsy mihodina tsy hijery ny hetahetam-pitiavany sy ny filany araka ny maha olona azy ; ary ny hanampy azy no tanjony mandrakariva.

Boky mahatalanjona, satria amin’ny alalana andalan-teny na teny vitsivitsy monja, dia afaka manandratra ny saina mba handray tsara sy hanaiky ireo fanambaran’Andriamanitra.

Boky sarobidy noho ny harena rehetra, satria manambara ny fitiavan’Ilay Andriamanitra tia ny mpanota. Ny porofon’io fitiavana io dia ny nanomezany an’i Jesosy Kristy, Ilay Zanany Lahitokana, „mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

Ny Baiboly dia harena, raha toa izy takatry ny tanana, vakina sy dinihina, sady irina ny hahafantatra an’Andriamanitra sy Ilay nirahiny, dia Jesosy Kristy.

Alohan’ny handehananao hiala voly, dia afaka asisikao ao am-paosy ny iray amin’ireo boky 66 ireo.