Alakamisy 29 Jona 2023

(Hoy Jesosy :) Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy, dia hahavery azy ; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany. Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy ? Matio 16:25-26

 

Manana ilay fiantohana tsara ve isika ?

Ankehitriny isika dia miaina ao anaty vanimpotoana anaovana fiantohana amin’izay loza rehetra mety hitranga sy azo heverina : tsy misy hadino na inona na inona, manomboka amin’ny fahavakisan’ny fitaratry ny fiara ka hatramin’ny haitrano mandravarava… Azoko atao koa aza ny manao fiantohana amin’izay ho lany amin’ny fandevenana ahy, mba tsy ho vesatra ho an’ny fianakaviako izany. Amin’izay dia miaina am-pilaminana e !

Tsy tokony hoheverina ihany koa ve, alohan’ny zavatra rehetra, izay hitranga aorianan’ny fahafatesana ? Inona tokoa moa izay am-polon-taona vitsivitsy iainantsika, oharina amin’ny mandrakizay ?

Rehefa tsy maintsy handao ny zavatra rehetra aho, ny fiantohana aina nataoko dia mety hisoroka ihany ireo olana ara-bola eo amin’ny ankohonako, fa izaho kosa tsy maintsy hihaona amin’Ilay Mpahary ahy, ka tsy hisy lanjany na vokany mihitsy ireo fiantohana nataoko ho an’ny fiainako teto an-tany.

Tsy hoe „loza mitatao” hotsinjovina fotsiny ihany izany, fa zavatra azo antoka hoe tena hitranga. Ny loza mitatao mantsy, ara-pamaritana, dia toejavatra mety hitranga ihany. Fa ny fihaonana amin’Andriamanitra kosa dia zavatra azo antoka, fotoana tsy azo ihodivirana. Ary amin’io fihaonana io, ny hany fanontaniana hipetraka dia ity : hovesaran’ny fahotako ve aho sa tsia, eo anatrehan’Ilay Andriamanitra masina, Izay tsy manaiky hizaka izany ?

Tia antsika loatra Andriamanitra, ka manolo-kevitra antsika mba hamaha io olana io dieny mbola tsy tara. Samy afaka mametraka ny fahotany eo amin’i Jesosy ny tsirairay, ary manaiky fa Izy no efa nikarakara izany teo anatrehan’Andriamanitra, tamin’Izy nanolotra ny tenany ho sorona mba hisolo toerana antsika. Amin’izay dia maimaimpoana io „fiantohana” io, satria Izy no efa nanefa ny sarany !