Zoma 30 Jona 2023

… mba hambaran’i Jehovah Andriamanitrao anay izay làlana mety halehanay. Jeremia 42:3

Fa nisotro tamin’ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. 1 Korintiana 10:4

 

Fandehanana lavareny any an-taniefitra

Ireo izay efa nanao fandehanana lavareny tany an-taniefitra angamba dia mahatakatra mora kokoa noho ny hafa hoe nahoana Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, no mampitaha ny dian’ny kristiana eto amin’izao tontolo izao amina famakivakiana taniefitra. Any an-taniefitra dia tsy misy na inona na inona : na tondro zotra, na rano, na hanina. Fa matetika kosa dia misy vatolampy, izay maneho ny tsy fihontsonana sy ny fiarovana amin’ny hafanana.

Mba ho tafavoaka velona any an-taniefitra, dia misy zava-dehibe efatra heverina fa ilaina : manana mpitari-dalana, rano sy hanina amby ampy, mikiraro tsara, ary afaka mahita fialofana amin’ny fotoana tena mafana be.

Ny kristiana dia mahatsapa fa manana izany rehetra izany, ao amin’i Jesosy Kristy.

— Izy no mpitari-dalana antsika, manomana ny lalana sy ny trangam-piainan’ireo izay nametraka ny fitokisany aminy. Atorony azy ireo ny lalana tokony hizorany, toy ny nitarihany ny Zanak’Israely tany an-taniefitra, tamin’ny alalan’ny andry rahona sy ny andry afo (Eksodosy 13:21).

— Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia matetika oharina amin’ny rano manome ny aina. Rehefa mamaky azy isika, dia afaka velomin’izany, mahazo hery vaovao. Maharitra izy, velona, eo mandrakariva mba hitondra soa ho antsika.

— Rehefa mandeha dia tsy maintsy mikiraro tsara ilay fahavitrihana hitory ny Filazantsaran’ny fihavanana (Efesiana 6:15), dia ny vaovao mahafaly milaza ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy, eo amin’izay itondran’ny diantsika antsika.

— Farany, Kristy no ilay vatolampy ianteherantsika, Izay ialofantsika, ary mamelombelona antsika.

Koa ny kristiana dia afaka milamina, mieritreritra ny dia eto amin’ity tontolo sarotra ity.