Asabotsy 1 Jolay 2023
Jehovah ô, efa nandinika ahy Ianao, ka mahalala ahy. Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako, sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny toetrako, na mandeha aho, na mandry ; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Salamo 139:1-3
Iza no tsy gaga, rehefa mitety tranon-kala (internet), fa nahazo dokambarotra teo no ho eo mikasika lohahevitra vao novakina minitra vitsy teo aloha ? Manaraka akaiky ny zavatra ataontsika mantsy ireo singan-toron-kajimirindra (cookies), dia ny angon’antontan-kevitra ao anaty tranon-kala, araka izay fikarohana nataontsika. Ny tanjony dia ny hanolotra dokambarotra ho antsika manokana. Dia indro fa tsy mahazo aina isika, voatsikilo, toy ny hoe velarina eo anatrehan’ny olona rehetra ny fiainantsika manokana. Ny fiainantsika manontolo ve ? Eo anatrehan’ny olona rehetra hoe ? Angamba tsy izany, nefa Andriamanitra kosa dia mahita izay rehetra ataontsika, mahafantatra izay rehetra eritreretintsika sy mahalala hoe aiza ho aiza isika. Boky mivelatra eo anatrehany ny fiainantsika (Salamo 139).
Ny Baiboly dia miresaka momba ny mpanjaka Belsazara, izay nametaveta ny fanaka sarobidy tao amin’ny tempoly, ny tranon’Andriamanitra, tamina fihinanam-be sy fisotroana tafahoatra (Daniela 5). Tampoka teo, hitan’ny olona rehetra tao an-dapa, nisy tanana nipoitra tsy fanta-piaviana, nanoratra teo amin’ny rindrina hoe : „voaisa, voalanja, zarazaraina”. Voalanja tamin’ny mizanan’Andriamanitra ny fiainan’i Belsazara, ary nilatsaka taminy ny fitsaran’Andriamanitra, satria nataony tsinontsinona ny fampitandreman’Andriamanitra azy. Ny alin’iny ihany izy dia hovonoin’ny fahavalony.
Indray andro any koa, isika dia hanontanian’Andriamanitra izay nampiasantsika ny fanomezam-pahasoavana nomeny antsika : ireo fahaizantsika, ireo fananantsika, fahasalamana… Ary alohan’ny zavatra rehetra, ahoana ny nandraisantsika an’i Jesosy Zanany, Izay nirahiny mba hamonjy antsika, isika rehetra izay samy mpanota avokoa. Ndao àry handray ny famonjena maimaimpoana atolony, amin’ny finoana ny Zanany, ary hianatra hiaina ho an’Ilay Mpamonjintsika !