Alahady 2 Jolay 2023
Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Ianao ; famirapiratana sy voninahitra no fitafinao. Salamo 104:1
Fa lehibe Ianao ka manao zava-mahagaga ; Ianao irery ihany no Andriamanitra. Salamo 86:10
Ny famaritan’ny rakibolana ny hoe zava-mahatalanjona dia hoe zavatra miteraka figagana fatratra noho ny hatsarany, ny halehibeny, ny hasarobidiny. Nisy zava-mahatalanjona fito teo amin’ny tontolo fahagola. Ankehitriny dia ny pyramidan’i Khéops sisa no hany tavela. Mandalo ny zavatry ny tany, nefa ny olona dia mikatsaka mandrakariva zavatra hampitolagaga azy. Ao amin’ny Baiboly Andriamanitra dia mampahafantatra antsika ireo zava-mahatalanjona nataony. Asainy isika hijery ny halehibeny sy ny tanjona mahafinaritra kendreny ho an’ny zavaboariny. Ny fahariana izao tontolo izao sy izao tontolo rehetra midadasika izao dia iray amin’ireo zava-mahatalanjona nataon’Ilay Andriamanitra Mpahary Tsitoha. Mba te hihevitra ireo ve isika ?
Fahiny Andriamanitra dia nanontany an’i Joba : „Mihainoa izany, ry Joba ; mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra. Fantatrao va ny fanamboaran’Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony ? Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina, dia ny fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana ?” (Joba 37:14-16). Nitolagaga i Joba, nahatsapa ny fahendrena sy ny fiandrianan’Andriamanitra ; takany fa zavaboary fotsiny izy, mila matoky Ilay Mpahary azy.
Ny mpanjakan’i Babylona dia nahita ny herin’Andriamanitra, hery tsitoha : „Manao izay sitrapony amin’ireo marobe any an-danitra sy amin’ny mponina etỳ an-tany Izy ; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe : Inona no ataonao ?” (Daniela 4:32).
Ho an’ny mpino dia mahatalanjona ny mahafantatra fa Ilay Andriamanitra Tsitoha no Ilay tia azy. Nafoiny ny Zanany Lahitokana mba hamonjeny ny mpino, ary karakarainy am-pitiavana ireo izay nanjary zanany.
(hitohy amin’ny alahady roa manaraka)