Alatsinainy 3 Jolay 2023
… Mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo. Jaona 20:31
Koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy ; fa izany no fiainanao. Deoteronomia 30:19-20
Izany no lohateny-na fampisehoana an-kira nataona antoko-mpihiran’ankizy iray. Ny seho an-tsehatra sy hira samihafa dia naneho ny fiaina-mandalo miaka-midina : fahaterahana, fahazazana, fahatanorana, fitiavana, fanambadiana, fahaterahan-janaka, fisarahana, fahafatesana. Nampieritreritra izany.
Indraindray dia ilaina ny mandinika ny fomba fiainantsika. Ny sasany mihevitra fa mba hiainana feno ny fiainan’ny tena, dia tsy maintsy miala amin’izay rehetra fiankinana, indrindra fa amin’Andriamanitra. Maka lalana hanao izay tiana hatao. Izany dia fanadinoana fa tokony hanehoana haja sy fanoavana Ilay Andriamanitra Mpahary antsika. Hoy Izy amintsika : „Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo” (Amosa 5:4). Raha tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra mantsy isika, dia mizotra ho amin’ny fahafatesana, izany hoe ny fisarahana mandrakizay aminy. Asainy isika hisafidy ny fiainana mandrakizay, ilay fiainana manomboka ao aminy, ary mitohy aorianan’ny fahafatesan’ny vatana. Io fiainana io dia ao amin’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ary hita tao aminy, fony Izy tonga tetỳ an-tany. „Efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay” (1 Jaona 1:2). Ho fiainantsika izy io, raha mino an’i Jesosy isika. „Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36).
Jesosy izany, ho an’izay mino Azy, no ohatra tokony halain-tahaka, mba hiainana fiainana ankasitrahin’Andriamanitra. Dia ho afaka hitombo amin’ny fahalalana Azy ny mpino, ary tsy ho velona ho an’ny tenany intsony, fa ho an’Ilay maty namonjy azy sy nitsangana velona indray (2 Korintiana 5:15).