Talata 4 Jolay 2023

Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo ; eny, fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany, araka ny haben’ny famindrampony. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona. Fitomaniana 3:31-33

 

Rafozambavy sy vinantovavy

Ny Baiboly dia manambara amintsika ny tantaran’i Naomy —nampalahelo tamin’ny voalohany, nefa nahafinaritra tatỳ aoriana-, izay nankany amina firenena hafa, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany mirahalahy, mba handositra ny mosary namely tany Israely, satria nanadino fa Andriamanitra anie mahay manome izay ilain’ny vahoakany. Nanambady tany ireo zanany ireo, avy eo maty ny vadiny sy izy mirahalahy zanany. Torotoro, menatra olona, ary feno fangidiana izy no lasa niverina tany an-tanindrazany, niaiky fa tsy maintsy nikapoka azy Jehovah, Ilay Tsitoha.

Na dia tsy niaina izany fahoriana rehetra izany aza aho, dia tena mahita ny tenako ao amin’i Naomy. Mora erỳ mantsy ny mitanondrika mamisavisa ny lasa, toy izay hizaka ny vokatry ny safidin’ny tena ; sa tsy izany ?

Nefa i Rota kosa, ilay hafa firenena, dia niraiki-pitia tamin’i Naomy rafozambaviny. Nanapa-kevitra izy hatoky an’io Andriamanitra nolazain’i Naomy fa nikapoka azy io ! Tapa-kevitra izy hanaraka sy hanompo an’io Andriamanitra io. Ary tsikelikely teny, tao amina firaisam-po feno fitiavana, dia nahita fahasambarana indray i Rota sy ny rafozambaviny. Hitan’izy ireo „ny tànan’Andriamanitra”, izay mifehy ny zava-drehetra sy mahay manova ho tsara ireo fahasahiranana lalovantsika, vokatry ny fahadisoantsika.

Noho ireo fisalasalako miverimberina, dia sarotra kokoa amiko kosa ny hahita ny tenako ao amin’i Rota. Nefa dia nanokatra fiainam-baovao io finoana tsotra sy manontolo napetrany tao amin’Ilay Andriamanitra feno fiandrianana io. Satria mantsy Ilay Andriamanitra narahiny nanomboka hatreo dia Andriamanitra fitiavana, Izay tsy mba mandao ireo izay matoky Azy, ary mamonjy sy manafaka azy ireo.

Andriamanitra dia naniraka an’i Jesosy mba hitady antsika sy hanoro antsika ny lalana mankany aminy. Porofo izany fa tena mitady mihitsy izay hahasoa antsika Izy !