Alarobia 5 Jolay 2023

Raiso… ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy ; ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy, amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana. Efesiana 6:17-18

Fa satria an’ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. 1 Tesaloniana 5:8

 

Tsy manana fitaovam-piadiana ve hiatrehana ny ady ?

Ny valan’aretina tamin’ny taona 2020 dia nampiseho fa niankina amin’olon-kafa isika, hahazoantsika ny vokatra maro nilaina mba hiadiana amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina : fitsaboana, fonon-tava mpanadio rivotra, aro vava sy orona…

Izany toejavatra izany dia mampahatsiahy ny toerana nisy ny Zanak’Israely (1 Samoela 13:19-22) : tsy nisy mpanefy intsony tao amin’ny firenena tamin’izay, ka niankina tamin’ny firenena teo akaiky izy ireo, mba handranitra ny fitaovana hoentiny miasa ! Tsy nanana sabatra intsony aza izy ireo mba hanakanany ny fahavalony tsy hangalatra ny vokatra.

Ankehitriny ny kristiana dia tsy maintsy miady tsy an-kiato. Ny adin’ny tsirairay dia tsy hita maso, ary tsy ampiasana fitaovam-piadiana, fa ara-toe-tsaina sady ara-panahy, ary mifandraika amin’ny fanahintsika. Miankina amin’io ady io ny sakafontsika ara-panahy sy ny safidintsika, ary toy izany koa ny fitondrantenantsika eto amin’izao tontolo izao. „Mba tsy ho manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao” (Filipiana 2:15). Izany no votoatin’ny adintsika.

Inona no fitaovam-piadiantsika ? Fitaovana roa lehibe : mampihatra ny Tenin’Andriamanitra ary maharitra mivavaka. Nahoana isika no resy indraindray ? Satria tsy vonona ny fitaovam-piadiantsika, tsy eo akaikintsika. Mba diniho anie e : ny tontolon’ny asa sy ny tontolon’ny fialamboly ve, mbamin’ny ora maro eo anoloanan’ny efijery (écran), tsy nandany tanteraka ny fotoanantsika sy ny herintsika ? Koa ndao àry hampihatra ny fampirisihan’ny andinin-tSoratra Masina erỳ am-piandohana. Ndao hikatsaka ny fanatrehan’ny Tompo sy handohalika hivavaka, hahitantsika indray ny tsiambaratelon’ny hery ara-panahy, mba ho „manoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika” (Romana 8:37).